airtel

Politique

06-sept-2023

Hery Rajaonarimampianina

Nanamafy ny ahiahiny na kandida aza

Sample post image

Araka ny efa nampoizina, tonga nanatitra ny taratasy firotsahan-kofidiany ho Filoham-pirenena ny Filoha teo aloha Atoa Hery Rajaonarimampianina omaly.

06-sept-2023

Izy no kandian’ny Antoko HVM izay naoriny, ka mieritreritra ny hiverina eny Iavoloha indray ity Filoha teo aloha ity sy ny ekipany taorian’ny faharesen’izy ireo tamin’ny taona 2018, ka somary namparefo ity Antoko ity. Nampivondrona ny heriny rehetra ny HVM taorian’ny fivakisana, ka ny 27-28 aogositra no nangatahan’ny HVM tao anatin’ny Kongresiny ny hirotsahan’ny Filoha mpanorina azy ireo, izay efa nekeny sy nanaterany ny antontan-taratasy omaly tolakandro, ka izy no kandida faha-17 nametraka ny firotsahany teny amin’ny HCC Ambohidahy. “Io izaho itanareo fa nametraka firotsahan-kofidiana. Tena milatsaka!”, hoy I Hery Rajaonarimampianina nampanantena fa mbola hisandratra i Madagasikara. “Lasa izao! Vonona sy sahy isika hanavotra an'i Madagasikara. Hijoro aho hitondra fanantenana ho an’ny vahoaka malagasy. Hijoro ho an'ny tanindrazako sy ho an'ny tanin-janako aho. Mino aho fa tsy maintsy mbola hisandratra i Madagasikara indray andro any”, hoy hatrany ny tenany. Ankilany, nanamafy ny ahiahiny momba ny fidianana kosa anefa ity Filoha teo aloha ity. Manaraka ny zava-misy isan’andro isika, tena tomombana marina ve ilay fikarakarana ny fifidianana? hoy izy. Izay raha ny nambarany no nangatahana foana hoe: aizany mangarahara? Inona no tokony hatao hanatsarana ny lisitra? ny HCC ve mahafeno fepetra hatramin’izay ka hatramin’izao? Tena mampiseho ny maha mahaleo tena? Tena mahaleotena ve? Raha ny fijerinay azy aloha dia manahy izahay, hoy I Hery Rajaonarimampianina.
Toky R/J.Mirija
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap