Araka ny efa nambaranay ny 1 Aprily 2023, hoy ny antoko, dia fomba fanao efa nilaozan'ny toetr'andro tanteraka ny didin'ny be sandry sy ny famerana ny olompirenena haneho hevitra sy hifamory am-pilaminana. Fanohitohinana ny demokrasia ihany koa ny trangan-javatra toy izao. Nalalaka ny filohan'ny repoblika ankehitriny nanao fitetezam-paritra tamin'ny 2018 na dia mbola tsy tao anatin'ny vanim-potoanan'ny fampielezankevitra aza, hoy hatrany izy ireo. «Arène» na toerana mifefy manodidina toa an'Antsahamanitra ilay toerana nangatahana alalana, raha ny fanazavan’ny mponina ao an-toerana. Sady fanaovana fampisehoana na «spectacle» ao. Efa tao ry Jerry Marcos, Ny Ainga, Oladad, Elidiot, Daddy Love sy mpanakanto hafa marobe. Mampametra-panontaniana efa ela moa hoe ilay lazaina fa mpitandro filaminana ve izany, amin’ny maha mpitandro filaminana azy tsy afa hitan-tsoroka na hoe hanao «encadrement» ny olompirenena manao hetsika mihitsy na koa hoe tena miantoka izay fitandroana ny filaminana amina hetsika am-pilaminana izay? Maninona no tsy izay amin’ilay antsoina hoe «sécurisation» no atao fa tsy fandrarana na «interdiction»? Sao dia mila ovaina hoe «mpandrara hetsika» fa tsy «mpitandro filaminana» ilay anarana? Kaominina ambanivohitra no resaka. Ny depiote naha be tsikera ho nanao kabary mivoy fanavakavahana anefa jerena toa mitety tanàna tsy misy bedy? Isan’ny fanontaniana manitikitika ny mpanara-baovao izany amin’izao fotoana izao.
J. Mirija
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby