airtel

Politique

23-déc-2024

Hetsika fanoherana hosoka ara-pifidianana

Ho hitan’ny havany vao misy fifanarahana politika...

Sample post image

Ho hitan’ny havany eo izany izay zatra manao fifanarahana politika amin’ity anio alatsinainy ity raha

23-déc-2024

mbola heno ho noresahina ny faran’ny herinandro teo ihany ny mikasika ny hetsika fanoherana hosoka ara-pifidianana taratry ny mpanohitra tao anatin’izao fifidianana kaominaly izao. Raha ny serasera navoitran’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara na RMDM ny faran’ny herinandro teo dia hisy izany ny hetsika ho tarihin’izy ireo entina hanoherana izay hosoka sy tsy fahatomombanana tao anatin’ny vanim-potoanan’ny fifidianana izay manomboka anio, eto Antananarivo. Isan’ny antoko politika mikambana ao anatin’izay RMDM izay moa ny antoko politika Tiako i Madagasikara na TIM, izay tarihin’ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, ary nandrotsaka ho kandidà ho ben’ny tanànan’Antananarivo ny zanany, Tojo Ravalomanana, tamin’ny anaran’io antoko io farany teo. Hitarika ny hetsika ve i Marc Ravalomanana satria na tao anatin’ny propagandin’ny zanany aza, na nialohan’ny fotoana io na ara-potoana, dia tena lohalaharana izy? Nampametra-panontaniana ny mpanara-baovao mihitsy aza hoe fa izy sa ny zanany no milatsaka? Ho tahaka ireny ihany ve no ho fahasahiany hijoro hitarika izay hetsika fitakiana ny fahamarinana tamin’ny fifidianana izany sa sanatria mbola hiepoka toy ny fahita tao anatin’izay 15 taona izay fa rehefa any anaty fifandraisan-tanana amin’ny mpifanandrina politika vao hita, mba tsy ilazàna hoe any amin’ny fifanarahana politika?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap