tia tanindrazana

Parution du Lundi, 27 Mars 2023

airtel

Politique

Hetsika LERA “Tonga ny fotoana hiarahana mijoro”

Niseho ampahibemaso tetsy amin’ny Hotely Mahatehotia Mandrimena Iavoloha omaly 26 janoary 2023 ny Hetsika LERA, izay ivondronana olom-boafidy toy ny depiote sy ben’ny tanàna ary mpanolontsaina monisipaly,

27-janv-2023

Sample post image

mpitarika politika, firaisamonim-pirenena, sendika,… raha ny fampahafantarana. “Tonga izao ny lera hitenenana, hiarahana mijoro sy hamaky batsilana ny tsy rariny, ny tsy fahamarinana, fanitsakitsahana lalàmpanorenana, famotehana ny firenena, halatra, fanodinkodinana volam-panjakana, kolikoly sy kinamanana, fanaovana tantely afa-drakotra ny firenena, fidangan’ny vidim-piainana, fahasahiranan’ny vahoaka,... Lera izao hitsipahantsika ny mpitondra nambotry ny firenena”, hoy ny fanambaran’ny Depiote Johasy Eleonore. Mitaky ny fanaovana fifidianana eken’ny rehetra sy anatin’ny fanajana lalàna ihany koa ny Lera, araka ny fanambarany. Takian’izy ireo ny fanomezana toerana ireo antoko politika eo anivon’ny CENI, fiaraha-manara-maso ny fanavaozana ny lisi-pifidianana; fiarahana mametraka fanaraha-maso ny fotoam-pifidianana (mialoha, mandritra, aoriana); famerana ny vola ampisaina amin’ny fifidianana; fanamafisana ny fanaraha-maso ny fotoam-pifidianana. Kendrena, hoy ny Lera, ny fahalalahana maneho hevitra, rafi-pifidianana madio tsy hisian’ny ahiahy, ary tsy manao kiantranoantrano,… Nilaza ho tsy manaiky ny mety ho fanemorana ny fotoam-pifidianana na inona na inona antony, indrindra fa miankina amin’ny teknika na ara-bola. “Ho avy ny fifidianana, ka izay no nampijoro anay mba hisakanana ny hala-bato. Mino aho, fa raha izao no mbola mitohy dia mbola ho lany eo ihany ny filoha am-perin’asa. Na hosamborina sy hogadraina aza dia mijoro hatramin’ny farany izahay, ary izaho manokana tsy vao izao no nigadra fa efa in-droa izay ka tsy matahotra ampitahorina”, hoy ny depiote Voninahitsy Jean Eugène. Nilaza moa ny depiote Hanitra Razafimanantsoa, fa nifanenjehana erak’Antananarivo Atoa Vonison Andrianjato, izay vofaritra tany am-boalohany fa hamaky ny fanambarana omaly, ka voatery napetraka tamin’ny toerana azo antoka, ka tsy tazana omaly. Voalaza fa nandefasana zandary ihany koa ny depiote Hanitra Razafimanantsoa sy Fidèle Razara Pierre. “Rehefa mampiasa ny olonareo ianareo mampiasa banderole tsy misy sakantsakana, ka mbola ho avy ny fotoana hidinanay an-dalambe raha tadiavinareo”, hoy I Hanitra Razafimanantsoa.

Isan’ny tazana teny an-toerana ary misy voalaza fa mitarika ity Lera ity moa ny depiote maromaro: Hanitra Razafimanantsoa, Fidèle Razara Pierre, Rodin Rakotomanjato, Voninahitsy Jean Eugène, Johasy Eleonore. Isan’ny tazana ihany koa ireo minisitra sy tompon’andraikitra ambony tany aloha toa an-dry Yves Aimé Rakotoarisoa, Manantsoa Victor, Ny Hasina Andriamanjato, Manoro Régis, Reboza Julien, Zazah Ramandimbiarisoa, Paraina Auguste, Horace Gatien,... Tazana ihany koa ireo mpitarika antoko toy ny avy amin’ny HVM.
Toky R
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Mpanohitra miatrika fifidianana Sarotra ilay fametrahana kandida tokana
27-mars-2023

Saika nahatonga solontena tetsy amin’ny Le Hintsy Ambohimanambola avokoa ny alakamisy lasa teo ireo

Card image cap
Hary Razafindrazaka « Mitsangana manohitra amin’ny hevitra fa tsy herisetra »
27-mars-2023

Mampalahelo ny hoe ny fanaovana T shirt Andry Rajoelina no hoe nidarohana ilay mpamily Bajaja, hoy ny filoha lefitry ny antoko politika, Leader Fanilo teo aloha, Hary Razafindrazaka.

Card image cap
RMDM, PANORAMA, HVM, HIFIM,… “Mandeha ila ary vao mainka hiteraka krizy io CENI io”
27-mars-2023

Voaporofo mazava fa tsy vita maimaika ao anatin’ny 3 volana ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana, fa mila 8

Card image cap
Lola Rasoamaharo Gadraina noho ny resaka lonilony avo lenta ?
27-mars-2023

Nidoboka vonjimaika etsy Antanimora ny takarivan’ny sabotsy 25 martsa lasa teo Atoa Roland Hubert Rasoamaharo Tale Jeneralin’ny La Gazette de la Grande Ile, rehefa avy nampandalovina teny amin’ny Fitsarana Anosy efa madiva ho alina.

Card image cap
Famoriam-bahoaka Nafampana ny tany Mananjary
27-mars-2023

Nafampana ny famoriam-bahoaka nataon’i Siteny Randrianasoloniaiko sy ny ekipany tany Mananjary ny sabotsy teo.

Card image cap
Andry Rajoelina Miezaka maka ny fon’ny tanora indray
27-mars-2023

Ry tanora namako, natokako ho anareo ny andro androany, nihaonako taminareo ary nizarako ireo soatoavina tiako ho ampitaina aminareo, hoy ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, ny sabotsy teo teny amin’ny CCI Ivato.

Voir plus