airtel

Politique

24-oct-2022

Politique

Hetsika notarihin’ny vadin’i Malama Tontosa ny dingana voalohany

Sample post image

Isaorana ny zandary, ny miaramila, ny polisy tamin'ny fifanampiana, hoy ny vadin’I Mahery Lanto Manandafy, Doris Rakoto Samuel,

24-oct-2022

taorian’ny fahavitan’ny hetsika notarihiny ny sabotsy teo. Vita soa aman-tsara, hoy izy, ny hetsika “Madagasikara ho an'ny Malagasy” izay natao teto Antananarivo, Fianarantsoa, Toliara. Noravana mialoha ny hetsika fa nihidy ny fonja. Manjary sahirana ireo gadra miisa 5000 ao Antanimora, tsy afaka manatitra sakafo ny fianakaviana. Fisaorana mitafotafo ho anareo tonga nanotrona. Manao mahavelo bevata anareo longo iaby Toliara. Mandona fo sy Fagnahy ty fanohana nareo Longo. Ho an'ny Tanindrazana, ndao, hoy hatrany ny tenany, mbola naneho ny fahavononany sy nilaza fa tontosa aloha ny dingana voalohany. Notsiahivin’I Malama na Mahery Lanto Manandafy hatrany moa fa iny hetsika natao ny sabotsy teo iny dia ho fanoherana tsotra izao fotsiny ny tsy rariny mihatra amin’ny madinika sy ny zava-misy miha tsy zakan’ny olompirenena malagasy maro intsony ankehitriny. Tetsy andaniny dia niraradraraka ny fanadroadroan’ireo kaonty fako tanaty tambazotran-tserasera hita ho manohana ny fitondrana izay niezaka nivoy hatrany ny amin’ny fitaka entin’ny Facebook ka mahatonga hetsika iray hihevitra ho mahazaka olona rehefa midina an-dalambe. Nanazava moa ny mpahaifiarahamonina politika, Paul Rabary, fa tsy midika ho tsy fahazakan’ny mpitarika fidinana an-dalambe olona na mpanohitra io na mpanohana na iza mihitsy ny tsy fahitana olona maro manaradia mpitarika izany intsony ankehitriny. Ny zava-misy, hoy izy, dia tsy miraika amina hetsika politika na mifandraika amin’izany intsony raha ny malagasy androany satria na ny fiainany an-davan’andro aza manahirana azy ka noho izany tsy ho liana amina hetsika na avy amin’iza na iza izay mety hiteraka korontana izy.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap