tena mba mahagaga ihany ilay zava-misy hoe olona hivory sy hanao fety ao amin’ny tranony dia lazaina hoe tsy azonareo atao izany.Fa lalàna inona no miresaka an’izany eto. Efa nekenay hoe eny ary fa lanonana no atao fa tsy handalo ao ny kandida, tsy asiana kabary politika.Fa dia fandavana hatrany no natao. Fa nahoana ary no misy afaka mamory olona an-kalamanjana no sady mandeha an-dalambe, ka nahoana izahay no sakanana kanefa ao anaty trano, tanàna mifefy ? Sao dia mba tsy mety kosa izany mizana tsindrian’ilay izany e ? ». Olona milamina izahay ary manaja lalàna, ka izany no antony niandrasanay ny fampiantsoana ofisialy ny mpifidy sy ny datim-pifidianana vao miresaka sy manetsika ny mpiara-dia aminay, ka mba tsy mety kosa ilay sakantsakana isaky ny mihetsika fa avelao ny olombelona Malagasy hisitraka ny zo omen’ny lalampanorenana azy. Ny fanjakana no efa namoaka datim-pifidianana sy niantso ny mpifidy, dia rehefa hiresaka amin’ny mpiara-dia aminy ny fikambanana sy ny antoko dia sakanana indray.Fa ahoana e ? Toa ny fanjakana ray amandreny sy tokony ho maodely indray no tsy manaja ny lalàna velona ?
RTT
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby