Mouvement pour la Majorité Silencieuse) na ny Hetsiky ny maro an’isa nisafidy hangina omaly alahady 03 septambra 2023. Tao anatin’izany no nanambarany tamin’ny fomba ofisialy ny fanohanan'ny Vovona MMS ny Kandida ho filoham-pirenena Atolotry ny FTT na ny Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana Tahina Razafinjoelina amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena amin’ny 09 novambra ho avy izao. “Rehefa nandinika ambony, nandinika ambany, dia anisan’ny zava-dehibe ny vina izay mitsinjo manokana ny vahoaka, fa indrindra indrindra mila fanabeazana ifotony ny Malagasy, ka nisafidy izahay ny hanohana ny kandida Tahina Razafinjoelina izay ao anatin’ny vinan’ny FTT”, hoy ny Filoha Nasionalin’ny Vovonana MMS Atoa Eric Stoff Rakotonandrasana. Miasandrahaka manerana ny Nosy ny vovonana MMS, ary tena matanjaka sy manana vahoaka maro mpikatrika ao anatiny. Saika nahatonga solontena avokoa ny faritra rehetra (Toliara, Toamasina, Mahajanga, fainarantsoa, antananarivo). Nasaina manokana ary tonga namaly ny antso ny filoha mpitarika ny FTT izay Tarihin'i Tahina Razafinjoelina. Tafaray ny tia sy ny manina, mitovy ny tadin-dokanga, ny amin’ny vina, dia ny Fanabeazana, fitsinjaram-bola, ary ny Madagasikara nomerika. Nofaranana tamin’ny nofon-kena mitam-pihavanana ny fiahoanana omaly alahady. Efa niomana hatry ny ela ary mbola manamafy ny fiomanana amin’ny fiatrehana ny fifidianana noho izany ny MMS manerana ny Nosy, ary vonona ny hampandresy ny Kandida Tahina Razafinjoelina. Ankoatra ny MMS, moa dia maro ireo Antoko sy Fikambanana, ary vahoaka tsotra nanamafy ny fanohanana an’I Tahina Razafinjoelina, ary hita taratra izany tany amin’ireo toerana izay rehetra nalehany, tahaka ny tany Fianarantsoa, Ambositra, Antsirabe, Toamasina,… ary raha tsy misy ny fiovana dia mety hiazo ny tapany Andrefan’I Madagasikara ny tenany aorian’ny fametrahana ny taratasy firotsahan-kofidiana anio 04 septambra.
VONONA NY AO AMIN’NY DISTRIKAN’AMBOHIDRATRIMO
Ho an’ny ao anatin’ny Distrikan’I Mahitsy, ohatra, dia miomana fatratra amin’ny handalovan’I Tahina Razafinjoelina. Tam-pitiavana tanteraka no nidirana, efa voafehy ny ao amin’ny Kaomina Mahitsy, ary efa voapetraka ny tendro rehetra ho an’ny fokontany 126 ao anatin’ny kaominina 7 anatin’ny distrikan’Ambohidratrimo, vonona avokoa ny olombelona antsoina andro dia andro, mahatratra 110 olona isaky ny fokontany no manao ny fanetsiketsehana any anatin’ny rafitra mandrafitra ny MMS, hoy ny Filohan’ny MMS ao Mahitsy. Efa tao anatin’ny roa volana no niomana, mipetrapetraka ny olombelona sy ny asa. Azo porofoina, ary vonona tanteraka ny vahoaka, resy lahatra, raha ny nambarany. Tsy haitraitra, fa iaraha-mahita ny zava-misy, mila fiovana, mila olona azo antoka I Madagasikara, ny Filoha Tahina Razafinjoelina dia efa hita ny vinany, raha tsy hilaza afatsy ny fampianarana izay tena fanohitra lehibe voalohany raha hampandroso ny firenena, ka mila azy I Madagasikara, hoy hatrany ny Vovonana.
MILA HAJAINA NY LALAMPANORENANA, MILA HARENINA NY LESOKA
Efa betsaka ny fanehoan-kevitra nataon’ny Antoko politika maro, fa ho anay dia tokony hanaraka ny lalàmpanorenana ny Malagasy tsirairay avy. Maro ny pitsopitsony tokony harenina amin’io pitsopitsony ara-pifidianana mba hialana amin’ny mety ho voka-dratsy mialoha sy mandritra ny fifidianana, fa izahay kosa maniry ny hisian’ny fifidianana mangarahara sy eken’ny rehetra, ary indrindra indrindra mba hananan’ny vahoaka Malagasy Filoham-pirenena vaovao, hoy hatrany ny Filoha nasionalin’ny MMS Eric Stoff Rakotonandrasana.
Toky R
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,
Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny
Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny