airtel

Politique

22-juin-2021

Politique

Hiditra amin’ny 26 jona faharoa isika Aiza ihany ilay hoe fiverenan’ireo Nosy Malagasy ?

Sample post image

Tany amin’ny taona 2019 no nanaovan’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina fanamby fa mialohan’ny 26 jona hankalazana ny fetin’ny fahaleovantena no hahazoantsika ny Nosy Malagasy,

22-juin-2021

 na koa hivoahan’ny fehin-kevitra momba izany. Ny volana desambra 2019 no nisy ny dinika momba ireo Nosintsika ireo, ary nomena anarana Malagasy mihitsy aza izany fa moa na didim-panjakana manamafy ny fampiharana ny anarana aza nisy? Nisy ny fangatahana nataon’ny herivelona samihafa ny hamoahana ho làlana ny maha faritra faha-23 na koa distrika na izay mety azo hamaritana azy ireo Nosy saingy moa mba nisy an’izany? Vao omaly izao no nisy andiana mpanao politika sy fikambanana nanatitra taratasy teny amin’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny manolo-kevitra amin’ny hamoahana didim-panjakana amin’ny maha antsika ireo Nosy ka asa hoe: mba hisy setriny sy arahina sa hodiana adala toy ny teo aloha hatrany? Ny 10 mey 2020 rahateo no nilazan’i Andry Rajoelina, fa tsy mila fiaraha-mitantantana izany, fa famerenana ireo Nosy no takiana. Ankehitriny, navadiky ny Frantsay ho lalàna ny maha tahiry voajanahary ny Nosy Glorieuses vao hoe: handefa taratasy fanoherana izany ny Fanjakana Rajoelina. Sady tsy mahomby amin’ny diplamaomasia ny Fanjakana Rajoelina no toa manadala saim-bahoaka fotsiny tamin’ity raharaha Nosy Malagasy ity. Tsaroana ny fiventesana ny hiram-pitiavan-tanindrazana narahina fisotroana CVO ho an’ny depiote, ka isan’ny novoizina tamin’izany ny resaka fitakiana ny Nosy Malagasy herintaona lasa tahaka izao. Fa moa mba tena nisy tolo-dalàna nodinihina sy nolaniana teo anivon’ny antenimieram-pirenena momba ireo Nosintsika ireo? Sehoseho ivelany, filalaovana saim-bahoaka sy fom-bahoaka, sarintsarim-pitiavan-tanindrazana no betsaka.
Toky R

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap