airtel

Politique

26-sept-2024

Hifarana anio ny fandraisana dosie

2 922 ny lisitr’ireo kandida efa voarain’ny OVEC

Sample post image

Nampahatsiahy an’ireo mikasa hirotsaka hofidiana amin’ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolontsaina monisipaly

26-sept-2024

ny CENI tamin’ny alalan’ny Sekretera mpanatanteraka Tseheno Rakotondrasoa, fa mifarana tanteraka anio 26 aogositra amin’ny 5 ora hariva ny fandraisana ny antontan-taratasy. Notsindriany manokana fa na feno na tsy feno ny antontan-taratasy, dia mijanona amin’io fotoana io ny fandraisana ny dosie. Hatramin’ny talata 24 septambra, 2 922 ny isan’ny lisitra kandida voaray avy amin’ireo OVEC manerana ny Nosy, ka 92 978 ireo olona nilatsaka ao anatin’izany. Efa saika naharaisana firotsahan-kofidiana avokoa ireo kaominina manerana ny Nosy, raha ny fanamarihana. Aorian’ny famoahan’ny OVEC ny lisitry ny kandida, ùanana 72 ora avy eo ny OVEC hamoahana fanapahan-kevitra, ka aorian’izay dia handefasana « notification » ireo mpilatsaka ka raha sanatria nolavina ny dosie, dia manao ny fitarainana isan’ambaratongany. Ny voalohany eny amin’ny CENI, ka manana 48 ora handraisana fanapahan-kevitra io vaomieram-pifidianana io. Raha toa ka mbola tsy miravona eo, dia zon’ny mpilatsaka hofidiana ny mitondra ny raharaha eny amin’ny fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny Fanjakana. Andrasana hatramin’ny anio hariva izany ny fivoaran’ny firotsahan-kofidiana ao anatin’izao andro farany hahafahan’ireo kandida mandrotsaka izany izao. Anisan’ny tena hifantohan’ny maso sy ny sain’ny besinimaro ny hoe : hanao ahoana ny eto Antananarivo Renivohitra.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap