airtel

Politique

10-oct-2023

Hihamafy hatrany ny tolona

Tsy misy propagandy raha tsy tanteraka ny fitakiana

Sample post image

Nafana ny nandraisan’ny vahoakan’Itaosy ny Firaisankinan’ny kandida na tao anatin’ny fotoana fohy ihany aza ny diabe teny Andranonahoatra, Anosimasina,…

10-oct-2023

ho an’ny omaly satria mbola nanana fotoana tamin’ny Ambasadaoro Afrikanina Tatsimo ireo kandida. Naneho ny fanohanany ny tolona ny vahoakan’Itaosy, ary nitombo isa hatrany ny mpandray anjara, horakora-pifaliana, kopakopa-tànana, fanohanana tamin’ny alalan’ny fitondrana sainam-pirenena sy sora-baventy samihafa toy ny fitakiana fifidianana madio, famoahana ireo nosamborina, tsy fanekena ny kandida vazaha, fanatsaharana ny herisetra,… no nataon’ireo vahoaka manohana amin-kitsim-po ny tolon’ny kandida. Nandritra io fotoana io no nanambaran’ireo kandida fa hanamafy ny hetsika izy ireo na efa manomboka anio aza ny propagandy. Takian’izy ireo ny fanafoanana ny filatsahan’ny olona efa tsy mizaka ny zom-pirenena Malagasy intsony fa vahiny, fanatanterahana fifidianana mangarahara sy azo antoka, fanavaozana ny firafitry ny CENI, fametrahana fisatsarana manokana CES (Cour Electorale Spéciale), tsy manaiky ny governemanta tarihin’Atoa Ntsay Christian ao anatin’ny fotoanan’ny fifidianana. Mila governemanta misy ny solontenan’ny kandida 11 mba tsy hisian’ny fitanilana, raha ny fanambaran’ny kandida Paraina Auguste izay nanamafisana fa tsy manaiky vazaha hitondra, tsy mila HCC mitanila,... Hanamafy ny hetsika izy ireo anio, haneho amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny zava-misy. Tsy mahazo mijanona ny tolona fa mitohy foana, tsy manao propagandy raha tsy tanteraka ny fitakiana rehetra, hoy ny firaisankinan’ny kandida. Naneho izy ireo tamin’ny alalan’I Marc Ravalomanana, fa tsy misy zavatra atahorana intsony eo rehefa eo ny vahoaka, ka raha hiditra ery izahay rahampitso dia mino isika fa hivaha ho azy io, hoy izy. Tsy tahaka ny tolona izay betsaka ny trano vaky sy faty olona tahaka ny nataon’I Andry Rajoelina, kanefa ny amin’izao mitolona am-pilaminana tifirina. Hiainga eny Ampasika ny diabe anio!
TSY FENO NY FEPETRA HISIAN’NY FIFIDIANANA
Mbola nanamafy tao anatin’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety izy ireo ny takariva izay notronin’ny solombavambahoaka. Nanamafy fa tsy feno ny fepetra hirosoana amin’ny fifidianana, ary mijery ny rehetra, mijery izao tontolo izao,… Misy ny fanelanelanana ataon’ny FFKM, isan’ny nangatahany ny hoe: afaka ajanona ny propagandy dia ajanona ny hetsika. Raha vao mbola manohy ny andaniny, dia hanohy ny hetsika ihany koa ireo kandida, hoy izy ireo . Nanamafy kosaireo kandida fa misy ny naratra, fanagadrana,… hitan’izao tontolo izao ireny, ary misy fiantraikany amin’ny raharaham-pirenena foana. “Amin’ny maha kandida anay dia tao anatin’ny fifidianana no naha tafaraka anay, kanefa tsy ao anatin’ny fifidianana ihany no olana fa efa taratry ny olana eto amin’ny firenena haramin’izay. Ny fampiharan-dalàna anefa tsy mitovy ho an’ny rehetra fa raha mitaky am-pilaminana izahay dia ampiasana hery. Milaza izahay fa tsy rariny ny fampiasan-kery tafahoatra, ka misintona ny sain’ny vahoaka, misintona ny sain’ny firenena manerana izao tontolo izao satria tsy azo ekena izany. Isika dia nanasonia ny sata iraisam-pirenena mikasika ny zo sivily sy politika ka tompon’andraikitra amin’izany izao tontolo izao. Mpikamban’ny SADC, Vondrona Afrikanina, Firenena Mikambana,… ka efa nisy delegasionina manokana avy amin’ny Sekretera Jeneraly nanao fanadihadiana mikasika ny zava-misy momba ny fikarakarana ny fifidianana ka efa nilaza ny zavatra tsy mety sy ny soso-kevitra hamahana olana ny Vondron’ny kandida. Tokony ho adihevitra eny ambony latabatra foana no hamahana ny olana, tokony tsy hisy ny krizy, ary miala nenina mba hisian’ny tontolo milamina hiatrehana ny fifidianana, hoy ny Firaisankinan’ny kandida. Teo anatrehan’ny tenin’i Andry Rajoelina nanakiana ny filoha teo aloha kosa izay nilaza fa tsy misy maneran-tany ny filoha teo aloha efa loa-jafy mitarika vahoaka an-dalambe, dia nahitsy I Hery Rajaonarimampianina fa izy (Andry Rajoelina) ve dia afaka hananatra an’Atoa Marc Ravalomanana ka izy indray no hanome lesona? Ny vahoaka no afaka mitsara an’izay 4 taona sy tapany izay, hoy hatrany io kandida io.
Toky R

 

 

 

 

 


 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap