tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Politique

Horonam-peon’i Jeneraly Lylison “ Olona vao omaly ary tsy nitolona no lasa minisitra ”

Niparitaka ny horonam-peo maneho ny alahelon’ny jeneraly Lylison Réné de Roland izay naniry fa hotendrena ho Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena na SEG satria mba isan’ny nitolona sy namono tena ho

23-févr-2023

Sample post image

an-dRajoelina, ka mendrika ny hahazo toerana, raha ny voalaza ao anatin’ny horonam-peo. “Efa niresaka izaho sy Prezida, maro ny zavatra noresahanay, izy niaiky fa ny ankamaroan’ny olona rehetra nanolo-kevitra ahy hatao SEG, fa ny anisan’ny teniny dia hoe: misy olona roa goavana roa mbola misakana hoe: Gellé Serge ambony grady indrindra amin’ny zandary ka sarotra ny hanalana azy, Gellé Serge tsy mbola nisy “défaut” sarotra ny hanala azy”, hoy ny jeneraly Lylison. Naveriko nalefa “messagerie vocale” io omaly, hoy izy, ary izao no teniko tamin’i Prezida hoe: “Mr le Président, lazain’olona nanolo-tsaina anao fa Serge manana galona ambony indrindra, kanefa ny Minisitry ny tafika dia ambony galona indrindra fa azo nesorina ihany. Ny dikan’izan’izany, azo esorina I SEG, lazaina fa tsy nisy “défaut”, Lylison angamba no tsy mbola nisy “défaut” taminao indrindra Mr le Président, ary nahavita lavitra noho ny nataon’I Gellé Serge io, olona vao tonga omaly,… Mba tonga ny fotoana handraisanay anjara satria firenena iaraha-manana ity, ny tolona niarahana namonoana tena, misy ny sasany vetivety kely na olona tsy nanao inona tsy nanao inona lasa misy minisitra, fa ny tena namono tena, hoy aho, ho sarotra ny hahazoana toerana. Na izany moa ankasitrahana izay fanendrena ataonao fa ho henjana izy ity ho’aho, izay no nataoko azy”, hoy hatrany ny voarakitra tao anatin’ny horonam-peo, izay midika fa misy lonilony eo amin’ny samy ekipan-dRajoelina. Niparitaka ihany koa ny hafatra hafa avy eo, izay voalaza fa avy amin’ny Jeneraly iray malaza efa misotro ronono saingy mbola manana andraikitra any an-dapa. “Tsy tokony ho Lylison mihitsy no hanao tsindry amin’ny filoha hoe: Mpitolona hatramin’izay, kanefa tamin’ny 2009 dia nanao “abandon de poste” tany amin’ny Groupement Bongolava izy, namonjy ny miaramila miaraka amin-dRavalomanana Marc, ary isan'ny nitifitra ny mpitolona teo Antaninarenina tamin’ny 07 febroary 2009. Rehefa resy i Marc Ravalomanana vao namadika palitao izy”, hoy io valin-kafatra hafahafa io. Nambara fa tsy manana “courage” izany i Lylison, ary rehefa nahazo galona “général de division à titre exceptionnel” izy, dia tokony ho ampy azy izay. « Anjarantsika ny manome antoka ny Filoha, raha mitady hampitahotra azy izy io. Mankahery ny SEG sy COMGN. Na hampitaina any aminy aza ity tsy maninona, fa izaho vonona handray andraikitra toy ny nataoko hatramin’izay miaro ny Fanjakàna mahefa, araka ny “finalité des actions” voalaza ao amin’ny art 1er du décret 63-253 du 09 mai 1963 fa izay no nitaizana ahy”, hoy io hafatra niparitaka io, izay tsy azo hamaivanina na marina na diso. Ny tsy azo lavina dia misy ny lonilony eo amin’ireo akaiky an-dRajoelina. Sosotra ireo nihevitra fa namono tena nahazoana fahefana, saingy ny hafa no tena misitraka.
Toky R
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Manoro Régis - UNDD «Matahotra mafy dia mafy korontana izahay»
02-juin-2023

Manaraka ny zava-misy ny antoko politika UNDD, hoy ny filohany, Dr Manoro Régis. Hitanay ny mahazo ny vahoaka, hoy izy.

Card image cap
5 volana mialohan’ny fifidianana Miha mangotraka ny tontolo politika
02-juin-2023

Mihazakazaka ny toe-draharaha politika, ary hita ho miha mangotraka amin’izao 5 volana mialohan’ny fifidianana izao. Mandeha ny adihevitra samihafa toy ny firesahana sy adihevitra ambony latabatra hametrahhana ny fitsipi-pitondran-tena,

Card image cap
Etazonia Manohana ara-toekarena, miandrandra fifidianana madio
02-juin-2023

Nankalazaina omaly 01 jona 2023 ny fankalazana ny faha-247 taonana nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia

Card image cap
Antoko politika Matsilo «Na ny fitondrana aza mahita fa tsy amin’ny izy ny fitantanany»
02-juin-2023

Madagasikara an’ny malagasy no fantatray, hoy ny antoko politika Matsilo. Na ny fitondrana ankehitriny aza, hoy ny filohan’izy ireo, Joseph Yoland,

Card image cap
Jerry Rakotoarijaona «Samy hafa ny fihetsiketseham-bahoaka sy tolom-bahoaka»
02-juin-2023

Sarotra raha amin’izao ny hahatarika olona hidina an-dalambe, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Jerry Rakotoarijaona.

Card image cap
Antoko politika Natiora «Lojika raha tsy misy fitoniana politika eto»
02-juin-2023

Lalaovin’ireo mpamatsy vola mahazatra isika, hoy ny antoko politika Natiora. Averiko ihany, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho,

Voir plus