airtel

Politique

20-août-2021

Politique

HVM sy TIM taloha anaty governamanta Tsy mahafaly ireo TGV-MAPAR iringiriny

Sample post image

Hita taratra ao anatin’ny governemanta ankehitriny ny fisiana olona niara-dia tamin’ireo mpitondra teo aloha ka isan’izany ny HVM sy ny TIM,

20-août-2021

 izay tsy fantatra na mbola manana rohy amin’ny antokony taloha na tsia. Mety misy ny finiavana hisokatra avy amin’ny Rajoelina eo anatrehan’ny tsindry maro samihafa, fa eo ihany koa ny mety tsy fananan’ny TGV-MAPAR olona mahavita azy, ka tsy maintsy nitsipotsipona ivelan’ny Fitondrana, fa tsy arakaraka ilay hoe efa niomana 4 taona. Manomboka tsy faly ireo milaza fa tena nitolona, nifofotra, nandrovitra pataloha tamin’ny fampandaniana an-dRajoelina. Fohazina sy voizina ny hoe: “Ilay minisitra lefitry ny tanora anie ka tanora HVM iringiriny, nanao propagandin’ny HVM mihitsy izy, tsy menatra nitafy manga hatrany an-tampon-doha ka hatrany am-paladia, ary ireo nasehony amin'ny sary no fianakaviany politika! Dia tsy nahita olona tena mpiara-dia amintsika ve nomena io toerana io?”; “Io Minisitry ny mponina nampidirinao io anie Atoa Filoha ka HVM, nifaninana sy nanenjika anao tamin’ny fifidianana fihodinana voalohany sy faharoa, nifaninana tamin’ny kandida MAPAR tamin’ny fifidianana depiote. Rariny loatra raha tezitra be ny depiote IRD avy any Sofia amin'izao koa olona avy nanompa anao kosa ve Prezida niadivan'izy ireo dia lasa minisitra tampoka, dia tena tsisy olona hafa niara-dia tamintsika mitsy ve?”; “Ilay minisitry ny fambolena sy fiompiana vaovao indray dia TIM be, niara-dia tamin-dRavalomanana foana nandritra ny fitondrany ary efa nataony ministra lefitra nisahana ny fambolena sy ny jono mitsy aza tamin'ny 2007-2008 ary tsy niala tamin'ny TIM mihitsy na dia teo aza ny tolom-bahoaka notarihanao Prezida…”. “Ilay minisitry ny paositra tena lozan-tany, fa angaha dia tsisy mba fanaovana ilay hoe:“enquête de moralité no dia tsy hay hoe io bandy io, niaraka tamin'ny fianakaviany sy ny rahalahiny izay tsisy tsy mahalala azy dia tena TIM hiringiriny ary rehefa lasa nipetraka tany an-dafy dia GTT be lohandohan'ny,(…) mety tsy fantatrao fa anisan'ny tompon'antoka nikarakara ireny fitorahana lafarinina an-dRtoa Mialy Rajoelina tany amin’ny seranam-piaramanidina Charles De Gaule mihitsy izy tamin'ireny tetezamita. (…) azoko antoka fa mbola TIM iringiriny io ao anatiny ao na mody hanao kravaty orange aza”, hoy ireo milaza azy ho mpitolona iringiriny.

Maro ireo milaza ho mpitolona “orange” no milaza fa kivy fa hoe: tafiditry ny mpifanandrina hatrany an-tampony. Politika anefa io, ka mety ho arakaraka ny toe-draharaha misy ny mety ho paikady satria tsy misy raiki-pohy hoe: tsy maintsy izao na izao, izay ilay “dynamique” na miaina, fa tsy “statique” na hoe tsy mihetsika.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap