airtel

Politique

09-oct-2024

Inona no nitranga ? Nisy kandida nasisika ?

Nihena ho 81 ireo kaominina 157 tsy nisy afatsy lisitra tokana…

Sample post image

Ahitana lisitra avokoa ny kaominina 1695 manerana an’i Madagasikara, araka ny antontan’isan’ny CENI tamin’ny

09-oct-2024

alalan’ny Filohany Atoa Dama Andrianarisedo omaly, mikasika ny lisitr’ireo kandida mandray anjara amin’ny fifidianana hatao ny 11 desambra. Mahatratra 5389 ny totalin’ireo lisitra mpilatsaka hofidiana voarakitra anatin’ny lisitra ofisialy, ka ny 1860 amin’izany no avy amin’ny vondron’Antoko politika, 1081 avy amin’ny antoko politika, ary 2448 dia avy amin’ny tsy miankina. Manodidina ny 1 hatramin’ny 8 kosa ny isan’ny mpilatsaka hofidiana. Kaominina 8 ahitana lisitra 8, kaominina 30 ahitana ahitana lisitra, kaominina 68 ahitana lisitra 6, kaominina 152 ahitana lisitra 5, kaominina 310 ahitana ahitana lisitra 4, kaominina 534 ahitana lisitra 3, kaominina 512 ahitana lisitra roa, ary 81 ahitana lisitra iray. Somary mampametra-panontaniana ihany ity resaka lisitra tokana ity satria taorian’ny 27 septambra iray ampitson’ny nikatonan’ny fahafahana mametraka ny antontan-taratasy dia namoaka tatitra vonjimaika ny CENI fa 157 ireo kaominina tsy misy afatsy lisitra tokana. « Manana kandida avokoa ireo kaominina 1695 manerana an’i Madagasikara. 157 amin’ireo kaominina ireo dia firotsahan-kofidiana avy amin’ny lisitra tokana no voarainy », hoy ny CENI teo amin’ny pejin-tseraserany tamin’io 27 martsa io. Niampy teny an-dalana ny lisitra na efa nifarana aza ny fe-potoana sa inona no zavatra nitranga teo anelanelany teo ? Tsy ampy ny tatitra avy eny anivon’ireo rantsa-mangaika mikasika ny lisitra voarain’ny CENI mikasika ny lisitry ny kandida ? Nisy lisitra kandida miisa 76 vaovao nokarakaraina manokana sa tara ny fandrotsahana antontan-taratasy saingy rehefa nampiakatra tany amin’ireo rafitra mpikirakira sy mpitsara dia nahazo rariny ho tafiditra anaty mpifaninana ? Sao sanatria mpifaninana sasarintsariny mba hanomezana sary fa tena fifidianana no mandeha satria tsy mbola nisy teo amin’ny tantara izany kaominina 157 tsy misy afatsy lisitra tokana avy no voaray izany, saingy io nihena ho 81 io moa. Tsy finiavana hanakiana na hitsikera satria tena tsy mazava ity kaominina 157 tsy nisy mpifaninana saingy nihena ho 81 ity !
NITOMBO 6,90% NY KANDIDA
Araka ny antontan’isan’ny CENI hatrany, dia mitontaly 57114 ny isan’ireo kandida rehetra mandrafitra ireo lisitra 5389, raha toa ka 53479 tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna ny 2019, izay nahitana fitomboana3 695, manome taham-pitomboana 6,90%. Nampahatsiahy ny CENI fa araka ny lalàna dia lisitra no fidiana amin’ity taona ity ka ny lohalisitra no fidiana ho ben’ny tanàna, ary ny mpiray lisitra no fidiana ho mpanolontsaina. Amin’ireo 5389 dia 5062 ny lehilahy ary 327 ny vehivavy. 667 no ao anatin’ny salan-taona 21-35 taona, 2172 no 36 hatramin’ny 50 taona, ary 2550 no mihoatra ny 50 taona. Anio no hatao manerana ireo distrika 120 no hanaovana antsapaka amin’ny filaharan’ny kandida anaty bileta tokana, ary io laharana io ihany koa no handaminana ny fidirana amin’ny haino aman-jerim-panjakana.
Toky R

 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap