airtel

Politique

17-nov-2023

INTERNATIONALE LIBERALE

Nirotsaka nanara-maso ny fifidianana

Sample post image

Antananarivo renivohitra, Ivato, Ambohidratrimo, Mahitsy hatrany Ankazobe, Anosizato,

17-nov-2023

Imerintsiatosika, Arivonimamo, Andoharanofotsy, Ambatofotsy, Behenjy, Ambatolampy, Namehana, Ambohimalaza Miray, Ambanitsena, Ambatolaona, Carion… Anisan’ny toerana nalehan’ireo mpanara-maso ny fifidianana avy amin’ny Internationale Libérale (LI) ireo omaly Alakamisy 16 Novambra taona 2023, vaninandro nanatanterahana ny fifidianana izay ho Filoham-pirenen’i Madagasikara. Miisa 12 mianadahy ireo mpanara-maso avy amin’ny Internationale Libérale ireo ary nizarazara tamin’ny faritra samihafa. « Nizotra tam-pilaminana ny raharaham-pifidianana hatreto hoy izy ireo omaly atoandro. Mbola hiresaka amin’ny mpanao gazety ihany izahay hilaza ny fahitanay ny zava-nisy araka ny fanaraha-maso nataonay”, hoy ihany ireo andiany tonga teny amin’ny foibem-pandatsaham-bato EPP Mandrosoa Ivato omaly. Anisan’ireo Fikambanana sy Vondrona avy any ivelany na iraisam-pirenena miisa 25 nahazo fankatoavana hanara-maso ny fifidianana eto amintsika ny Internationale Libérale. Mitarika ny iraka ny Praiminisitra teo aloha tany Guinée, Cellou Dalein Diallo. Tompon’andraikitra ambony manana traikefa amin’ny raharaham-pifidianana avy amin’ny firenena samihafa kosa no mandrafitra ny delegasiona. Noho ny fandalàny ny fahitsiana sy ny soatoavina demokratika dia sarotiny amin’ny tsy fitanilàna amin’ny fanatanterahana ny fanaraha-maso ny fifidianana izy ireo. Vantany vao tonga teto Madagasikara moa ireo mpanara-maso ny fifidianana avy amin’ny Internationale Libérale ireo tamin’ity herinandro ity dia nihaona tamin’ireo ankolafy mifaninana sy tsy mitovy hevitra amin’izao fifidianana izao. Nisy ny fihaonany tamin’ny solontenan’ny Kandidà Andry Rajoelina, ny Kandidà Siteny Randrianasoloniaiko, ny dinika tamin’ny avy amin’ny Collectif des candidats (C10).
Pati
Legende : Nandritra ny fanaraha-maso nataon’izy ireo !
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap