airtel

Politique

10-mars-2022

Politique

Ireo minisitra mety hiongotra

Sample post image

Iza avy ary ireo minisitra vitsy hoesorina? Azo antoka aloha izany fa misy ny tsy maintsy haIsan’ny tototry ny kiana tamin’ny tsy raharaha valizy misy kodiarana (valise à roulettes) sy ny solosaina enti-tànana ny Minisitry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro Tinoka Roberto,

10-mars-2022

ary voakiana mafy ho tsy mahafehy ny asany ka isan’ireo hoesorina ka hangorona ny valiziny handao ny minisitera ve? Matetika tratry ny resabe sy kiana samihafa hatry ny ela ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Rtoa Lalatiana Andriatongarivo ka na ny mpomba ny fitondrana aza misy tsy faly aminy ka hanao ahoana ny hoaviny? Ity Minisitra ity izay efa naneho fa tsy mibodo toerana saingy mbola vonona ny hanohy.Voatondro ho isan’ny manaratsy endrika ny Fanjakana kanefa atahorana hamoaka dosie toy ny efa nataony tamin’ny 2012 nilaza fa tena namatsy vola ny fokomiana ara-miaramila tao amina toby iray malaza i Andry Rajoelina. Tsikaritra ho somary tsy dia hita firy izy nandritra ny fanamarihana andron’ny 8 martsa tany Antsirabe ny talata teo kanefa minisitra ny mpiahy ny faritra Vakinankaratra ka fifandrifian-javatra ihany ve? Hanao ahoana ny momba ny Minisitry ny raharaham-bahiny Patrick Rajoelina voatsikera noho ny teny ratsy sy teny mamoafady? Ity minisitra ity, izay nisy nanaparitaka ny horonam-peo momba ny zavatra mamoafady nataony, ary raha ny diplaomasia Malagasy iandraketany dia tsy tena hita ho misy vokatra misongadina. Mety ho voakitika ve ny Minisitry ny fahasalamana Pr Zely Arivelo Randriamanantany notononon’ny fampahalalam-baovao iray ho ahiana amina kolikoly 7 miliara? Hahasahy hikika ny Minisitra Hajo Andrianainarivelo izay sahy nitandroka nivantana na ankolaka ny Fanjakana sy antokony ve ny Filoha? Nisy fotoana niteraka resabe ihany koa ny Minisitra lefitra misahana ny fandrakofana ala Rtoa Haingosoa Hortencia Antoinesie teo anatrehan’ilay raharaha tsy fifankahazoana ka nampibaribariana am-batolampy tamin’ny tambajotran-tserasera ny ady an-tranon’ny Minisiteran’ny tontolo iainana,… Samy miandry izay ho endriky ny fanovana ny rehetra, ary vinavina niainga tamin’ny zava-misy ihany ireto, fa ny Filoha sy ny Praiminisitra moa no tompon’ny teny farany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

02-mai-2024

Hampandany tsy misy fepetra ny kandida Avotra sy Jimmy natolotry ny Vovonana Firaisankina

Card image cap
02-mai-2024

Akaiky fifidianana isika amin’izao fotoana izao, ary mandeha indray ny fomba rehetra hanjonoana na hanerena

Card image cap
30-avril-2024

Mbola afaka milatsaka ambanin'izao ve i Madagasikara, hoy ny minisitry ny fiarovam-pirenena fahiny, ny jeneraly Désiré Ramakavelo?

Card image cap
30-avril-2024

Lasa ohatrany tsy miraharaha intsony na «indifférent» amin’izao fotoana izao ny malagasy,

Card image cap
30-avril-2024

Malalaka be ny atao hoe raharaham-pirenena, hoy ny raiamandreny sady mpandalina ny

Card image cap
30-avril-2024

Niroso tamin’ny fanoratana taratasy miantefa amin'Andriamatoa Mohktar Benlamine, Solontenan'ny FMI monina eto Madagasikara sy Andriamatoa Fréderic Lambert,

Card image cap