airtel

Politique

05-févr-2025

IRMAR maro no tsy mety mamindra fahefana

Tonga hatrany amin’ny fanapitsohana birao

Sample post image

Maro ireo toerana nisy kandida ben’ny tanàna IRMAR resy tamin’ny fifidianana no tsy mety manao famindran-toerana

05-févr-2025

erak'i Madagasikara indrindra raha vao avy amin’ny fanoherana toy ny Firaisankiana no lany, raha ny fanamarihana voaray. Miara-miasa amin’ny solotenam-panjakana sasany ry zareo no manao izany. Tany Soavina Betafo izao dia tsy mety tonga nanao famindran-toerana ny ben’ny tanona sy ny « Trésorier Comptable » ka voatery nopitsohana ny birao, delegem-panjakana no nanatrika teo, ka voatery natao ny fitanana an-tsoratra na « PV ». Any Mahaboboka Distrikan’i Sakaraha dia misy ny fanamarihana voaray fa ny Distrika mihitsy no mamoaka taratasy tsy hanaovana fifamindram-pahefana,… Endrika maneho politika mirefarefa sy tsy fahazakana na tsy finiavana hampihatra ny demokrasia. Dia efa azoazo sary an-tsaina izany ny mety ho endrika antsojay politika samihafa kotrehina hatao ireo ben’ny tanàna avy amin’ny fanoherana, fa fihatsaram-belatsihy politika ny filazana fa hiara-hiasa amin’ireo rehetra lany ny Fanjakana raha tarafina amin’itony toe-javatra mamohehitra itony. Nialohan’ny fifidianana dia efa novoizina ny hoe : hatao antsojay, tsy hahazo fanampiana, tsy hisitraka ireo tombotsoa samihafa,… raha vao tsy kandidan’ny IRMAR no laniana. Dia ireny efa niaraha-naheno ireny ohatra ny hoe : masomboly vary safiotra sy zezi-bazaha mety hamotika ny tany avy no hamilafilana ireo kaominina 4 ao amin’ny distrikan’i Betafo tsy nampandany IRMAR. Mety ho toy izany ihany koa amin’ireo zavatra hafa mety hahasoa ny kaominina saingy haverina foana hoe : volam-panjakana izay midika fa volam-bahoaka sa volan’antoko no nividianana an’ireny ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap