airtel

Politique

11-août-2021

Politique

Jean Jacques Ratsietison « Ny fahaizana manao fifanarahana no mampandroso »

Sample post image

Tsy misy izany fanararaotana izany fa ny sandam-bola Malagasy no nidina be, hoy ny mpahaitoekarena sady filohan’ny antoko politika Fahefa-mividy izao no ilain’ny Malagasy, Jean Jacques Ratsietison.

11-août-2021

Izay no mahatonga ny vidim-piainana miakatra eto Madagasikara, hoy izy. Mitaraina ho tsy mbola nanao tombom-barotra ny QMM nefa 20 taona izy no teto. Maninona no mbola mijanona? Tsy misy izany hoe orinasa tsy manao tombom-barotra izany na 3 taona aza dia mbola eo. Eto izy no amboariny ny kaontiny fa tsy mivoaka dia misy tombom-barotra. Ry zareo no mametra ny vidin’ny akora fototry ny elmenita any ivelany. Ataony ambany be iny dia eto aminao izy mitomany hoe tsy nahazo tombony. Rehefa mivoaka any ivelany avadika vokatra ireo elmenita ireo dia vola tsy toko tsy forohana. Tokony ahitsy aingana izay lesokantsika voalohany mamatotra amin’ireo Soalala sy QMM sy ny rehetra ireo izay. Tsy tokony akora fototra no ifanarahana fa hoe andao isika hiaraka hitrandraka. Raha hiaraka hitrandraka isika ka hisasaka dia vidio ary ny 50%n’ny tahiry miasa. 70 tapitrisa taonina ny tombana natao tany am-boalohany. Afaka niteny izy tamin’izany hoe vidio ny 35 tapitrisa taonina. Tsy hananany iny vola iny fa tsy tokony alohany dia tenenina fotsiny izy hoe izao ary no hifanarahantsika. Hifanarahana voalohany ny hoe eto no mamadika ireo akora fototra ho vokatra na “produit finis” dia iny no zaraina atsasany avy fa amin’iny fotoana iny dia hesorina amin’ny anjarany ny tokony ho vidin’ilay tahiry tokony ho vidiany fa tsy voavidiny. Lazaina fa mampidi-bola ireo izao kanefa na mampiditra 1 tapitrisa na 10 tapitrisa io tsy misy dikany satria miliara no azony any ivelany. Tsy ny fisian’ny harem-pirenena no mampandroso fa ny fahaizana manao fifanarahana mikasika azy. Raha ny harem-pirenena no mampanan-karena dia efa misy Soalala, Sheritt, QMM sy ny hafa eto nefa maninona isika no mbola mahantra, hoy hatrany ity mpahaitoekarena ity ?
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap