airtel

Politique

14-juin-2023

Politique

Jean Louis Rakotoamboa «Matetika adinon’ny gasy fa olon’ny Frantsay i Rajoelina»

Sample post image

Nila nihaona tamin’i Macron, Frantsa renimalala, ny filohan’ny repoblika malagasy, raha ny mikasika ny fifidianana,

14-juin-2023

hoy ny filohan’ny antoko politika Teza, Jean Louis Rakotoamboa. Matetika adinon’ny gasy, hoy izy, fa i Andry Rajoelina dia olon’ny frantsay. Anisan’ny nampiasain’ingahy Sarkozy izy hanongana an’ingahy Ravalomanana. Ny filoha Ratsiraka no niteny sy vavolombelon’izany. Vavolombelona faharoa ingahy Sarkozy tamin’izy tonga taty. Tsara ho fantantsika fa olon’ny frantsay i Rajoelina. Alohan’ny hanaovana zavatra dia efa tenenin’i Macron izy hoe mila mankaty aloha mifampidinika. Minoa ahy ianareo fa efa nahazo toromarika izy miverina avy any ary efa nangataka tamin’i Macron izy hoe teneno ny vondrona eoropeanina hamoaka vola! Hiteny amin’izay izy hoe amin’izao ny fifidianana. Mety hanao fivoriana tsy ara-potoana ny parlemanta hanitsy ny tetibola na LFR. Mbola tsy manana fahaleovantena izany isika amin’ny lafiny rehetra fa miankina amin’i Lafrantsa sy ny vondrona eoropeanina foana. Milaza ny praiminisitra fa tsy andinika LFR nefa raha jerena tsy miangatra ny tetibola hanaovana fifidianana, satria sarotra ny manao fifidianana eto amintsika, indrindra, ny resaka fotodrafitrasa momba ny lalana. Lafo ny fanaovana fifidianana ka na tiana na tsy tiana tsy maintsy hiova io tetibola mikasika ny fifidianana io, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap