ny vidim-piainana noho io ady any Okrainina io. Hiakatra io solika io. Hidangana be izany raha hiditra amin’ny hoe vola baoritra na “planche à billet”. Ny tahirim-bolamenantsika kely. Tsy manana vahaolana ny fitondrana amin’ny krizy sosio-ekonomika. Ny aty amin’ny politika moa hoe hiroso amin’ny fifidianana hono isika. Ny fitsipi-dalao amin’ilay fifidianana anefa tsy milamina. Hiteraka hala-bato maro isan-karazany io. Hiteraka korontana raha tsy hanaiky hifampiresaka ny mpitondra. Io izao nametra-pialana ny governoran’ny banky foibe satria noporetina hanao ny tsy tokony ataony. Krizy hiseho eto amin’ny firenena ireny rehetra ireny amin’ity taona ity. Ny fipetraky ny toetr’andro mbola tsy fantatra satria iny mbola tsy voafehin’ny zanak’olombelona. Izany rehetra izany mampitaintaina be amin’ity taona ity. Mila manao fanarenana ara-tsosialy sy toekarena aloha. Fanadiovana ny fiainam-pirenena. Fametrahana ny fandriampahalemana eto amin’ny firenena. Azo atao ny mametraka ny fototra demokratika eto amin’ny saina tony sy sainan’ny fitiavan-tanindrazana. Ny mahagaga moa ny mpitondra tsy te hiroso amin’izany ka dia asakasany. Tsy hisy hanaiky lembenana amin’ny halabato intsony amin’izao taonarivo fahatelo izao, hoy hatrany ny Teza.
J. Mirija
Legende: Ny filohan’ny Teza
Nanapa-kevitra ny hiara-dia amin’ny kandida laharana voalohany Tahina Razafinjoelina I Patrick Raharimanana
Nanindry mafy omaly my depiote Keron Idealson, voafidy tao Ampanihy andrefana fa tsy azo vakivakiana amin'izay
Variana amin’ny toe-java-misy ankehitriny aho, hoy ny mpahaifiarahamonina politika sady filohan’ny antoko politika Ny Fireneko, Paul Rabary,
Manoloana ny zava-miseho ankehitriny eo amin’ny sehatra politika, ny antoko politika Maitso hasin’i Madagasikara,
Taorian’ireo fihaonana samihafa nataon’ireo kandida toy ny tamin’ny FFKM, tamin’ny Vondrona Iraisam-pirenena,
Niresaka ny praiminisitra fa tsy azo ivalozana ny didy navoakan’ny HCC, hoy ny antoko politika Fiombonana.