airtel

Politique

02-févr-2021

Politique

Jean Navandahy Ratiharison Manahy fikendrena olon-tokana

Sample post image

Efa tamin’ny taona 2016 no nanajariako ireo ampahan-tany ireo, hoy ny

02-févr-2021

 

 

 

 

filohan’ny fikambanana Za gasy sahy mandroso, Jean Navandahy Ratiharison, nanoloana ny fikasan’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra handrodana ireo fotodrafitrasa natsangany etsy Andafiavaratra. Misy ampahany efa voarodan’ny CUA mihitsy aza moa, raha ny fanazavany. Nandoa hetra ara-dalana sy mbola vonona ny handoa hetra hatramin’izao ny tenako. Mazava ny voarakitry ny drafitra na “plan” momba ny ampahan-tany na “parcelle” nangatahanay. Voamarin’ny vadintany fa ny taona 2017 no efa nijoro ireo trano ireo fa tsy ny taona 2019 naha teo amin’ny toerany ireo mpitantana ny CUA vaovao. Tsy nisy fanorenana nataonay teo noho izany ary tsy mitombona ilay hoe “arrêt de travaux”. Ny mahagaga dia izaho irery no nahazo fampiantsoana fa ireo manodidina hafa voakasik’ilay raharaha tsy nantsoina. Tranon’akoho aza esorinao mila “ordonnance”. Ity trano miorina lasi-tsimenitra ary ampiasaina fa tsy hoe apetra-potsiny. Ohatry ny fikendrena olon-tokana na “attaque personnelle” no fandraisako ilay zava-misy satria amin’ny anaran’ny Za gasy no niantsoana ny tena. Ny taratasy fandravana voaray koa milaza fa trano hazo ilay harodana kanefa izaho tsy manana trano hazo. Raha toy izao izany no mahazo ny mba manana fahalalana kely amin’ny resaka lalàna dia toy ny ahoana ny mahazo ireo sarambabem-bahoaka tsy mahalala izany any ambany ravikazo any, hoy hatrany izy ?

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap