airtel

Politique

02-août-2023

Politique

Jean Nirina Rafanomezantsoa “Kandida hampiray ny malagasy izao no tadiavina!”

Sample post image

Mila mitandrina ny mpanao politika malagasy, hoy ny filohan’ny fikambanana Hafari malagasy, Jean Nirina Rafanomezantsoa.

02-août-2023

Mila mandinika tsara hoe ho entina aiza ny taranaka fara-mandimby eto amin’ity firenena ity, hoy izy? Tokony tandremana ny fihetsika mialoha, mandritra, aorian’ny fifidianana satria raha hitondra raharaham-pirenena na firenena no be fahavalo sy hihantsy dia ataoko fa zava-doza. Kandida hampiray ny malagasy izao no tadiavina! Tokony hisy ny fifamelana na “grand pardon” satria samy nanao ny tsy nety daholo ireo mpanao politika malagasy. Miha potika ny firenena. Toy ny hoe tsy misy olona tsara intsony eto Madagasikara na iray aza rehefa mijery ny fifanaratsiana sy fifandrabirabiana ampian’ny Facebook sy ireo kaonty fake isan-karazany. Filoham-pirenena hampiray ny malagasy, hiady amin’ny fahantrana, hamorona asa, hijery, indrindra, ny tontolo iainana izao no tena ilaina. Mbola hisy foana ny fahantrana rehefa tsy miavana isika. Ampiadian’ireo firenena avy any ivelany izay miheritreritra ny haka tombontsoa be dia be eto isika. Natoraly ny harenantsika na entona, izany hoe, “gaz” izany, na solitany, na fambolena na fiompiana, na tantsaha.Tsy manana harena nokleary na elektronika isika fa natoraly. Kandida mirona be dia be amin’ny fampiraisana ny malagasy sy mijery ny sosialim-bahoaka no ilaina fa rehefa tsy izay dia tsy tokony ho kandida mihitsy izy satria tsy haha tafavoaka an’i Madagasikara. Efa miha tezitra io vahoaka io. Be dia be no tsy te hifidy noho ny fahatezerana amin’ny mpanao politika. Kandida tsara toerana izay mahavita manetsika ireo be tsy miteny na hoe “majorité silencieuse”, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap