Zava-dehibe, hoy izy, ny fandraisan’andraikitry ny fitsarana momba izany raharaha izany. Mitaky ny fanadihadiana ilay solombavambahoaka voasaringotra anatin’izany ary mitaky ny handraisana fepetra momba izany koa fa tsy ny vahoaka madinika foana no mifafy ny kiho. Tsy ekena intsony ny tsy maty manota. Aoka hamoraina ny asan’ny fitsarana ahafahana manenjika izay meloka tamin’io raharaha io. Ento eo anoloan’ny fitsarana ilay depiote fa aoka tsy ho vitavita ho azy io raharaha io. Mikasika ny raharaha Doris Rakoto Samuel dia vehivavy be herim-po izy. Lojika ny azy ary ara-drariny satria any am-ponja ny vadiny. Isaorana ny fitsarana nihaino ny feon’ny fieritreretany nijery ny zanany 8 volana. Tsy midika hoe olo-meloka koa i Nambinina raha niditra am-ponja. Efa nisy foana ny tolom-bahoaka ny taona 1972, 1991, 2002, 2009, 2018. Ny tena marina dia ampiadiana isika malagasy nefa eo am-pelantanan’ireo vahiny ny fahefana. Eo am-pelantanany avokoa ireo harena na JIRAMA na solika hatramin’ny rano sotroina. Tsy vahaolana intsony ny midina eny an-kianja. Laharam-pahamehana ny ady amin’ireo vahiny manjanaka amin’ny fomba maoderina. Samy diso daholo teto ka ilaina ny fifamelana faobe na «grand pardon». Ahoana moa no tsy hisy ny fitsaram-bahoaka, solombavambahoaka natao hanao lalàna aza manainga fitsaram-bahoaka? Mila amboarina ny lalàna mikasika an’io, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny
Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.
Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,
Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,
Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!
Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,