Resaka toe-tsaina koa, hoy izy, no olana fanampin’izay. Tsy voazara ny andraikitra. Ny andraikitry ny vahoaka dia ny miasa sy mandoa hetra. Amiko tokony heritreretina kokoa ny hoe ahoana no fomba hiverenantsika amin’ny tany “Madagascar naturellement”. Misahotaka isika fa akaiky ny fifidianana dia betsaka ireo mpitarika fikambanana mitady vola etsy sy eroa. Miovaova toy ny tanalahy. Misy solombavambahoaka izao niaraka tamin’ny fitondrana dia mety nahazo famatsiana tany ambadika tany dia io manaratsy ilay fitondrana io indray. Olona akaiky ny fitondrana ankehitriny izao no ankamaroan’ny ao anaty vovonana lera. Misy olona akaiky an’i Ravalomanana koa izao ao satria mety hamoaka kandida manam-bola ny lera dia aiza izany ilay firaisankina? Tsy afaka handeha ao anaty fifampihantsiana ny firenena. Tsy politika no atao eto fa fitiavan-tseza sy fitiavam-bola. Ireo filoha miisa 3 Ravalomanana, Rajoelina, Rajaonarimampianina ireo izao no tokony hitarika ny fampihavanana. Mino aho fa raha ireo no miray latabatra sy miara-mikaondoha dia toy ny fitondrana zanaka ao am-piangonana ihany io. Raha hifidy ny filoham-piaingonana ny FFKM, toy izany koa izahay fikambanana, dia mifampiresaka ny mpikambana mialohan’ny fahataperana taom-piasana. Toy izany koa ny firenena. Mampanahy ny fifampihantsiana amin’izao fotoana satria izay miteny rehetra dia milaza ho tsy mifankatahotra daholo, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby