airtel

Politique

11-janv-2023

Politique

Jean Nirina Rafanomezantsoa “Vahaolana ny fanovana minisitra sy governora maromaro”

Sample post image

Tonga eo amin’ny dingana famaranana ny filoha Andry Rajoelina, hoy ny filohan’ny fikambanana Hafari malagasy, Jean Nirina Rafanomezantsoa.

11-janv-2023

Betsaka, hoy izy, no vitany fa tsy vitsy koa ny miandry azy satria tena latsaka an-katerena ny firenena malagasy tao anatin’ny 60 taona nahazoana fahaleovantena. Amiko, tsy mbola nisy mpanao politika teto Madagasikara fa fitiavan-tseza sy fitiavan-karena no mibaiko nandritr’izay fotoana izany. Misedra olana tena goavana ny filoham-pirenena ankehitriny. Eo ny finiavana hanatanteraka ny vina fa ireo nanankinana andraikitra sy nalaina ho namana no tena vato misakana ny fampandrosoana tiany hatao na tsy mahay ny asa tokony atao na miantehitra amin’ny famatsiam-bola sy mitomany voninahitra fotsiny ihany. Vahaolan’ny filoham-pirenena ny fanovany tsy misy fepetra ny minisitra maromaro sy governora maromaro. Izay tena manana fitiavan-tanindrazana sy vonona hanavotra an’I Madagasikara maika, tsy hijerena finoana na politika na fihaviana, no tokony hapetraka eo. Hafatra ho an’ny mpanao politika rehetra dia tsy vahaolana ny fanakianana na fifampihantsiana na fifanomezan-tsiny. Tsy vahaolana ho an’ny TGV manokana ny fametrahana ny malagasy na mpanohitra ho fahavalo. Tsy ampy ihany koa ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny mponina sy ny mpanao gazety. Ny an’Itompokovavy Nadine Ramaroson dia nataony laharam-pahamehana ny mpanao gazety mba hampifanakaiky ny mpitondra sy ny vahoaka ka samy handray ny andraikiny, hoy hatrany izy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap