airtel

Politique

15-juil-2021

Politique

Jeneraly Désiré Ramakavelo “Mila manapa-kevitra haingana ny Filoha”

Sample post image

“Miteraka olana amin’ny fitantanan’ny filoha ny firenena ny fananany maro an’isa. Misy ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny mpanao lalàna sy ny mpanatanteraka,

15-juil-2021

 kanefa ry zareo ihany anie no maro an’isa ao e!”, hoy ny Jeneraly Désiré Ramakavelo tao amin’ny fahitalavitra Real TV Madagascar omaly. Samy miaraka amin’ny fitondrana, manahirana io zavatra io satria rehefa misy amin’izay ny tsy mety dia sarotra ilay hoe : iza no esorina? Izay no lafy ratsin’ilay hoe anao daholo ny maro an’isa atsy sy aroa, hoy izy. Lasa toa misy fanerana an-kolaka ny filoham-pirenena ilay zava-misy, ary ireo olona ireo dia samy manasoaso ny Filoham-pirenena. Mety hitera-doza ho an’ny firenena io tsy fifankazahoana sy sorisory io raha tsy ahitam-bahaolana haingana. Ny filoham-pirenena irery ihany no afaka mamaha olana, ary manahirana raha tsy manapa-kevitra haingana izy, hoy ity manamboninahitra misotro ronono sady mpandinika raharaham-pirenena ity.

Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap