airtel

Politique

22-févr-2023

Politique

Jeneraly Rakotonirina Richard Nahilika fa nanalokaloka ny PM Ntsay ?

Sample post image

Mazava ny sary politika, fa isan’ireo mafy sy tsy azo hontsonina ny Praiminisitra Ntsay Christian na efa nohozongozonina tamin’ny endriny samihafa aza.

22-févr-2023

Izy no Praiminisitra isan’ny naharitra indrindra, efa talohan’ny fifidianana Filoham-pirenena 2018 no teo rehefa nodidian’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana handrava governemanta ny Fanjakana Rajaonarimampianina noho ny tolon’ny depiote 73, izay nisiana fahafatesan’olona maromaro tamin’ny aprily 2018. Praiminisitra nitantana ny governemantan’ny marimarimaritra niraisina, ary nitantana ihany koa ny vanim-potoanan’ny fifidianana. Adihevitra teo amin’ny IRD izay maro an’isa tamin’izany ny nametrahana azy teo satria olon-kafa toa an-dry Christine Razanamahasoa, Haja André Resampa,… no nokasaina hapetraka, saingy ny anaran’Atoa Ntsay Christian no nipoitra avy tany. Nandà mafy ny IRD ny tolakandron’ny fanendrena, ka tsy maintsy nalamina, ary ny takariva vao nanao fanambarana niraisana. Ny depiote Brunelle Razafitsiandraofa no nitarika izany tamin’izany fotoana, ary izy no olon’ny fitondrana nanakiana mafy ny Praiminisitra tato aoriana. Na maro an’isa eo anivon’ny Antenimiera aza ny IRD, izay nahatonga ny sonia fitsipaham-pitokisana ny governemanta tamin’ny 7 desambra 2022, dia toa ny Filoha no niditra an-tsehatra nampitsahatra izany. Nafana ny valin’ady tamin’ny alalan’ny ampamoaka samihafa namelezana ny antenimieram-pirenena, ary nisy depiote nisesy niakatra tamin’ny haino aman-jerim-panjakana mihitsy. Nalaza ihany koa ny resaka tonta vola!!? Tao anaty governemanta, noahiahiana ho manaokaloka ny toeran’ny Praiminisitra ny Minisitry ny fiarovam-pirenena Jenetraly Rakotonirina Richard. Raha notarafina amin’ny endriky ny governemanta tokoa, raha mijery ny tontolo politika systratejika, ny andraikitra nosahaniny, ny fanomezan’ny Filoham-pirenena fitokisana azy hitazona ninisitera roa (fiarovana sy ny raharaham-bahiny) izay samy minisitera anatin’ny fiandrianam-pirenena, dia isan’ny olona tena nianteherany ny Minisitry ny fiarovana teo aloha, raha toa ka nohozongozonin’ny IRD sasany kosa ny Praiminisitra Ntsay. Nafana ny fanambarana politika nataony sy ny nanomezany toky mafy fa ao an-damosin’ny Filoham-pirenena ny mpitandro filaminana. Fanesorana anefa no setriny, ka na ekena aza fa mety misy toerana hafa hametrahana azy, dia somary nanaitra ny ihany ny nanesorana ity Minisitry ny fiarovana teo aloha Jeneraly Rakotonirina Richard, raha toky politika nataony tamin’ny Filoha. Tombanana avy hatrany fa noho izy heverina ho nanalokaloka ny Praiminisitra Ntsay. Ity farany izay voasokajy hatrany ho olon’ny Fianakaviambe iraisam-pirenena, fa eo ihany koa ny fisiana olona na vondron’olona matanjaka be ao an-damosiny. Tsy ny Praiminisitra Ntsay irery, fa misy minisitra maromaro tsara aro sy toa tsy azo hontsonina mihitsy ihany koa.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap