airtel

Politique

01-mars-2021

Politique

Jeneraly Ramakavelo « Tokony hijoro ny foloalindahy »

Sample post image

Niverina nampianatra ny atao hoe « sommation » toy izay niteraka resabe tamin’ny taona 2009

01-mars-2021

 

 

 

 mihitsy ny sabotsy teo ny minisitry ny fiarovam-pirenena teo aloha, ny jeneraly Desire Ramakavelo, raha nivahiny tamina fahitalavitra iray. Efa vita mialoha anaty tetibolam-panjakana ny vatsim-pianarana ho an'ny mpianatry ny oniversite, hoy izy, ka nahoana no tsy voaloha fa misy korontana vao hoe aloha ? Olona ao anatin'ny fitondrana ihany no manao an'io. Mety mba hanakorontanana. Misy tanana misintotsintona io fa tsy mandeha ho azy amin'izao izany. Ny minisiteran’ny fampianarana ambony niteny hoe efa nalefa ny vola. Nankaiza izany ilay vola ? Aza adino fa hetsiky ny mpianatra no nahatonga ny 1972.Vao mihetsika ny mpianatra dia mihetsika koa ny ray amandreny, izay mety mpiasam-panjakana, na any amin’ny sehatra tsy miankina sy ny sisa. Izany hoe mety hiitatra ny olana dia ho lasa krizy. Nahoana no tsy miteny ny Mensupres? Misy baiko avy any ambony foana no mahatonga izany. Misy zavatra anefa mahagaga eto. tonga ny Covid 19 dia ny filoha sy ny minisitry ny atitany no miresaka matetika. Fa natao inona ny minisitry ny fahasalamana ? Latsaka anaty vovo Ataon'ny mpanohitra izay hahatafidiran'ny fanjakana ao anatin'ny vovony, hoy hatrany ny tenany. Fandrika io. Lazon'ady koa io hahatonga ny mpitandro filaminana hanaotao foana ka hidaroka sy hanao fihetsika tsy voahevitra. Latsaka anaty vovony avy eo ny mpitondra. Izy angaha maninona? Izy tsy mpitondra fanjakana fa ianao mpitondra no voafandrika sy taraiky ao. Tsy hijanona ny mpanohitra fa ataony foana io. tadidio fa miparitaka any ivelany ny vaovao sy ny sary ka lasa ny mpitondra no malaza ratsy, eny fa na dia hoe mety manao ny asany tokoa aza izy.Tsy ilay eritreritrao no inona fa ny mason'ny olona mijery hoe io fa mikorontana, io fa jadona, io fa miady. Maninona moa no tsy mijoro ny mpitandro filaminana hiaro ny vahoaka malagasy 25 tapitrisa ka hanery ny mpanao politika hifandamina hametrahana fandaminana? Efa nanao ny FFKM, ny fikambanana maro samihafa, ny avy any ivelany fa tsy nahavaha olana. Tsy aleo ve mijoro ny foloalindahy, zandary miaramila, polisy ka ho sahy hiteny hoe ny vahoaka tsy atao takalon'aina fa alamino!? Nahitana vokatra io tamin’ny 1991 nahatonga ny “convention du 31 octobre 1991”. Na ady be toa inona aza tsy maintsy miafara amin’ny fifampiresahana an-databatra boribory. Mila filaminana ny fampandrosoana firenena fa raha mihenjan-droa foana ny tady dia ho voa mafy ny Malagasy 25 tapitrisa fa io tsy misy hoe izao mpomba an'i ranona na ranona izany, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap