araka ny didim-panjakana lah 2023-1085 ny zoma 8 septambra 2023. Izy izany no namenoana ny fahabanngan-toerana taorian’ny nanendrena ho minisitry ny fitsarana an-dRtoa Landy Mbolatiana Randriamanantenasoa. Mpanolotsaina manokan'ny Filoham-pirenena misahana ny ara-pandriampahalemana no andraikiny farany niantsoroan’I Richard Ravalomanana mialoha izao fanendrena jzao. Efa avy sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena ihany koa izy ary anisan'ireo manamboninahitra mpiara-miasa akaiky amin'i Andry Rajoelina efa hatramin'ny fitondrana tetezamita. Maro amin'ireo mpanara-baovao politika no resy lahatra fa tsy tongatonga ho azy izao fanendrena izao fa mety ho ity manamboninahitra jeneraly ity no saika atosika ho lasa filohan'ny Antenimierandoholona, tahaka ny nataon’ny Fanjakana HVM tamin’ny 2018 izay tsy nampiakatra an’Atoa Honoré Rakotomanana ho Filoham-panjakana nisolo an-dRajaonarimampianina fa nanendry an’Atoa Rivo Rakotovao sy nampiakatra azy ho Filohana andrim-panjakana. Tsy izay anefa moa no sary nitranga, fa ny governemanta tarihin’ny Praiminisitra no mitantana sy misolo ny Filoham-pirenena, fa na izany na tsy izany dia heverina fa paikady fiandry fahatelo na “Plan C” napetraky ny fitondrana ny mety saika hampiakarana ny Jeneraly Ravalomanana ankoatra ny fandraisan’Atoa Herimanana Razafimahefa ny Fanjakana saingy toa tsy nomena azy, ny mety fanoloana an’ity farany ka saika hametrahana manamboninahitra ambony efa misotro ronono hitondra ny firenena eo anatrehan’ny toe-draharaha mafampana satria niaraha-nahalala ny fihetsik’io jeneraly io tamin’ny fanenjehana ny mpanohitra tamin’ny tetezamita. Tsy izay anefa ny sary, fa nijanona teo amin’ny “¨Plan B” dia ny fandraisan’ny Praiminisitra sy ny governemanta ny fahefana.
Toky R
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby