airtel

Politique

17-août-2021

Politique

Jeneraly Richard Ravalomanana “Ny jiolahy sy ny mpiaraka aminy ihany no tsy tia zandary”

Sample post image

Nandritry ny famindram-pahefana teo aminy sy ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena vaovao handimby azy, ny jeneraly Gellé Richard

17-août-2021

, no nanambaran’ny jeneraly Richard Ravalomanana tetsy amin’ny biraon’ny SEG etsy Betongolo fa misaotra ny filoham-pirenena izy tamin’ny nametrahan’ity farany fitokisana taminy na teo aza ny fanaratsiana samihafa. Maro koa ny fanenjehana ny zandarimariam-pirenena toy ny filazana hoe foano ny zandarimariam-pirenena, hoy izy. Misaotra ny filoham-pirenena aho fa hitany hoe hitokisan’ity firenena ity ny zandarimaria ary noporofoiny izany tamin’ny alakamasy teo raha nankeny amin’ny tobinay teny Ivato izy. Sambany angamba no nisy filoham-pirenena nankeny. Nanome mari-pankasitrahana ny zandary izy. Teo ny fanomezana medaly sy fanondrotana galona mihitsy. Izaho koa ity nomeny “dignité de grand croix de deuxième classe”. Mariky ny fitokisana ny zandarimariam-pirenena izany ary izy dia niteny mihitsy fa matoky ny zandarimariam-pirenena. Ny jiolahy sy ny mpiaraka aminy ihany no tsy tia ity zandarimariam-pirenena ity. Mahenika ity Madagasikara ity ny zandarimariam-pirenena ary sahy mandray andraikitra amin’ny fampiharana ny tany tan-dalana. Ity zandarimariam-pirenena ity no nahasahy voalohany nanakana fikomiana miaramila. Maro indrindra ny nandraisana andraikitra tato ary ny mampalahelo dia tato amin’ny zandarimariam-pirenena no nisy nodimandry isan-taona noho ny fifandonana tamin’ny dahalo be indrindra amin’ireo departemantana minisitera. Milaza izany fa ilaina ity zandarimariam-pirenena ity, hoy hatrany ny tenany. Nanafatra ny mpandimby azy moa ny tenany mba tsy handairan’ireo mety ho fampitahorana hanangona sonia hanalana azy fa mba hanaraka ihany kosa ny toromariky ny filohan’ny repoblika sy ny praiminisitra.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap