airtel

Politique

21-déc-2022

Politique

Jeneraly Tsaranazy Jean Emile “Tsy ho lany ny filoham-pirenena ankehitriny”

Sample post image

Miha ratsy isan’andro ny fari-piainan’ny malagasy, hoy ny minisitry ny asa vaventy teo aloha, mpanao politika, jeneraly misotro ronono, ny jeneraly Tsaranazy Jean Emile.

21-déc-2022

Tsy manara-dalàna voalohany ny mpitondra ka ahoana moa no hanara-dalàna ny olona entina, hoy izy? Efa anaty krizy isika io na tsy mbola misy ra mandriaka aza. Ny nantenain-kanirina no nampivandravandra. Ny maro an’isa ao amin’ny antenimieram-pirenena izay tokony hanohana ny praiminisitra indray, satria ny praiminisitra no voalazan’ny lalampanorenana fa lehiben-drizareo, no mangataka ny fialany. Tsy mahatsiaro tena ny praiminisitra fa izy mihitsy no tokony hametraka fanontaniana ao amin’ny antenimieram-pirenena hoe ekenareo sa tsia ny mbola hitondrako ny governemanta? Tsy mila fanangonan-tsonia sy dingana lavabe izany fa latsa-bato dia vita. Mivoaka avy ao ny “Eny” dia matanjaka ny andrim-panjakana. Miala am-boninahitra kosa izy raha “Tsia”. Efa miaina anaty krizy isika izao. Ny mpiasam-panjakana mihena ny karamany. Ny any amin’ny sehatra tsy miankina toy ny any Taolagnaro tsy mahazo fahafaham-po raha tsy mitokona. Samy mihevitra ny rehetra izao fa anaty krizy mangitsokitsoka I Madagasikara na misy fikaonandoham-pirenena na tsia. Tokony ho tonga saina voalohany ny mpitondra fa tsy hiandry fifidianana. Tsy misy intsony ny fifampatokisan’ny ao amin’ny andrim-panjakana matoa nisy iny sonia miisa 105 iny. Nisy fitsipaham-pitokisana koa tamin’ny fitondran’ny filoha Ratsiraka. Tsy nisy ny olana. Tsikaritra fa nisy tamin’izany ny hetsi-bahoaka 1991. Fifidianana filoham-pirenena ny taona 1993. Amiko, ny nandresen’ny filoha Zafy Albert ny filoha Ratsiraka dia niainga tamin’ny krizy 1991. Isika izao 2022, efa anaty krizy. Manambara sahady izany fa tsy ho lany amin’ny 2023 ny filoham-pirenena mitondra ankehitriny, hoy hatrany izy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

02-mai-2024

Hampandany tsy misy fepetra ny kandida Avotra sy Jimmy natolotry ny Vovonana Firaisankina

Card image cap
02-mai-2024

Akaiky fifidianana isika amin’izao fotoana izao, ary mandeha indray ny fomba rehetra hanjonoana na hanerena

Card image cap
30-avril-2024

Mbola afaka milatsaka ambanin'izao ve i Madagasikara, hoy ny minisitry ny fiarovam-pirenena fahiny, ny jeneraly Désiré Ramakavelo?

Card image cap
30-avril-2024

Lasa ohatrany tsy miraharaha intsony na «indifférent» amin’izao fotoana izao ny malagasy,

Card image cap
30-avril-2024

Malalaka be ny atao hoe raharaham-pirenena, hoy ny raiamandreny sady mpandalina ny

Card image cap
30-avril-2024

Niroso tamin’ny fanoratana taratasy miantefa amin'Andriamatoa Mohktar Benlamine, Solontenan'ny FMI monina eto Madagasikara sy Andriamatoa Fréderic Lambert,

Card image cap