airtel

Politique

24-avril-2023

Politique

Jerosalema Nihaona tamin’ny Praiminisitra Israeliana i Siteny R

Sample post image

Nihaona tamin’ny praiminisitra Israeliana Benjamin Netanyahu sy ny minisitry ny fitaterana Miri Miriam Regev tany Jerosalema ny faran’ny herinandro teo i Siteny Randrianasoloniaiko

24-avril-2023

Fotoana nahafahana nifanakalozana hevitra sy niresaka momba an’i Madagasikara sy ny vahoaka Malagasy, ary nahatsapana, hoy i Siteny R fa namana ary eo anilan’i Madagasikara hatrany ny praiminisitra Netnanyahu . Anisan’ny votoatin-dresakay, hoy ny mpitarika ny « Mihava Tour » ny momba ny ho avin’i Madagasikara, ny fanampiana eo amin’ny resaka fananganana fotodrafitr’asa satria dia anisan’ny henjana sy tena manana traikefa amin’izany ny Israeliana.Manome tsirim-panantenana goavana ho ahy ny amin’ny ho avy ity fihaonana teto Jerosalema ity hoy i Siteny Randrianasoloniaiko. Hita ho manamafy ny toerany eo amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena i Siteny R, izay filohan’ny Africa Judo Union no sady filoha lefitry ny federasionina iraisam-pirenen’ny Judo. Anisan’ireo mpanao politika efa tsy vahiny intsony eo amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena izy ary heverina fa mahalala tsara hoe iza sy iza no mpiara-miombon’antoka hiaraha-miasa amin’ny sehatra izao sy izatsy. Inoana fa tsy resaka tampotampoka ihany koa ny fihaonana avo lenta tahaka izao fa misy dikany manokana, Israely izay firenena tena manana maha izy azy eo amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena sy ny fiainana ary ny tantaran’izao tontolo izao mihitsy . Raha eo amin’ny politika dia misongadina izany aloha i Rahozatse, ary voany tamin’ny kely foana ny filoha Rajoelina, izay tany Jerosalema ihany saingy tsy tafahaona tamin’ny praiminisitra Israeliana. Marina fa hoe nihaona tamin’ny filoha Israeliana izy, saingy ny praiminisitra sy ny governemanta ary ny parlemanta no tena mitondra ny baolina any amin’ity firenena ity fa mipetraka ho ray amandreny fotsiny ihany ny Filoha. Tsara ho marihana fa ny desambra 2022 dia efa nihaona tamin’ny Ehud Olmert, praiminisitra Israeliana teo aloha ary en’ny tanànan’i Jerosalema ihany koa i Siteny Randrianasoloniaiko.
Nangonin’i RTT

 

Dans la même rubrique

13-mai-2025

Raikitra indray ny fanamboarana serasera sy fanehoana fa tena akaikin’ny vahoakan’ny Fitondrana Rajoelina.

Card image cap
13-mai-2025

Haka fahefàna sy hitondra firenena no tanjon’ny antoko politika, hoy ny antoko politika Fanare.

Card image cap
13-mai-2025

Toy izao ny fomba nialan’i Kolonely Patrick Rakotomamonjy tao amin’ny Toby tamin’ny

Card image cap
13-mai-2025

Hanao filankevitry ny Minisitra mitety faritra indray ny Fanjakana Rajoelina amin’ity anio alarobia 13 mey 2025 ity,

Card image cap
09-mai-2025

Tsy any amin’ny hoe harena tokony ho trandrahana loatra ny Base Toliara

Card image cap
09-mai-2025

Ny « Directeur de la Police Judiciare » na DPJ eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena Colonel Tahiana Ravelomanana

Card image cap