airtel

Politique

10-août-2022

Politique

Jerry Rakotoarijaona “Tsy misy mazia ny famonjena firenena”

Sample post image

Sarotra ny miresaka amin’izao fotoana izao, hoy ny filohan’ny fikambanana Vahaolana anio sy rahampitso, Jerry Rakotoarijaona,

10-août-2022

satria iniana arefarefa amin’ny tany ny adihevitra amin’izay zavatra tenenina rehetra. Tsy adihevitra mampandroso loatra izay tena andrasana amin’ny fampandrosoam-pirenena, hoy izy. Ilaina ny fanakihanana. Isintomana lesona sy hanitsiana ny tokony ho lalana ireny. Tsy misy firenena tsy misy mpanohitra izany eto ambonin’ny tany. Tsy hitondra vahaolana fa korontana nefa ny fanarefarefana izany. Ohatra fotsiny ny resaka vidim-piainana. Tsy misy tsena eto hoe ny an’ny mpanohitra dia lafo na ny an’ny mpanohana mora. Tsena iray no iainantsika ary vidin’entana iray no iaraha-mizaka fa ny tokony hazavaina amin’ny vahoaka tsara dia hoe avy aiza no mahatonga ilay izy? Ny mpanohitra moa maika hanambara hoe tsy fahaizan’ny mpitondra fa raha izy no nitondra teo ka nahatonga ireny hoe nandalo rivo-doza isika dia tonga indray ny aretina tsy nahafahan’izao tontolo izao nihetsika dia amin’izao isika mandalo ity ady any Eoropa ity nefa nosy ary saika afarana daholo ny filantsika ka manano sarotra noho izany ny fitaterana azy dia, hoy izahay hoe mila azavaina amin’ny olona izany fa tsy maika fotsiny hiteny hoe tsy fahaiza-mitantana. Adihevitra tsy dia mampandroso ilay misy amin’izao ka manahirana ny miteny sy maneho hevitra. Misy miheritreritra ve fa tsy hisy fiantraikany amin’ny fiainam-pirenena aty aoriana ny fakanao tsy ara-drariny ny volam-panjakana, ny tsy fandoavanao hetra, ny fanaovana fifanarahana tsy am-piheverena isan-karazany? Ny mpitondra eto Madagasikara moa rehefa miala amin’ny toerany dia lasa anjely latsaka fahefany mpanome lesona fa tsy tadidiny ny zavatra nataony. -12% ny harinkarena tamin’ny 2002. Niiba -7,1% izy noho ny zava-nitranga ny taona 2020 fa tsy izany intsony izao no resaka fa efa tafakatra 4,6% izao ny PIB eto Madagasikara. Tsy mazia ny famonjena firenena fa asa. Tsy iombonako hevitra ny hoe rafitra no olana satria efa nanandrana rafitra maro isika toy ny sosialisma tao anatin’ny repoblika faharoa. Niditra tamin’ny demokrasia ny fahatelo. Nitondra indray ny “humanisme ecologique” ny filoha Ratsiraka avy eo tao anatin’ilay faritany mizakatena. Nitondra ny azy koa ny filoha Ravalomanana. Ny olona mipetraka eo ambonin’ilay rafitra no olana raha tsy miova mihitsy ny toetsaintsika rehetra, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap