tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Politique

Jirama, Air Madagascar, SPAT Bokan-trosa 6000 miliara Ar

Mahatratra 5 952 miliara ny trosan’ireo orinasam-panjakana na orinasa ny Fanjakana no manana petra-bola betsaka indrindra ao aminy, izany hoe maherin’ny 50%, araka ny tatitra nataon’ny Minsiiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola tao amin’ny tranokalany.

27-oct-2022

Sample post image

Mahatratra 23 izy ireo, ary efa kajy tany amin’ny volana aprily aza io. Mitana ny laharana voalohany ny Jirama izay ny fanjakana no mitana ny 100%n’ny petra-bola ao aminy. Mahatratra 3,317 miliara Ar, ka ny 1 311 miliara mikasika trosa anatiny momba ny fampiodinana ny jirama nandrindra ny 12 volana, ary 2 005 miliara Ar voasokajy ao anatin’ilay hoe: “passif non courant”, izay aloan’ny orinasa amin’ny taona ho avy. Faharoa ny orinasa Air Madagascar izay ny Fanjakana no mitana ny 50,88% amin’ny petra-bola kosa, mahatratra 723 miliara Ar ny trosany. Ny SPAT (Société du port à gestion autonome de Toamasina) kosa no fahatelo izay an’ny Fanjakana ihany koa ny 100% amin’ny renivola. Mahatratra 585 miliara Ar ny trosa voasoratra fa tokony hefainy. Ny trano fiantohana ARO (Assurances et réassurance omnibranches) izay ny Fanjakana no manana petra-bola 73,3% ao aminy, dia mahatratra 415 miliara Ar ihany koa. Ao anatin’ny 5 voalohany ihany koa ny Caisse d’Epargne izay voalaza fa mahatratra hatrany amin’ny 411 miliara Ar ny trosany tokony hohefainy. Mety hisy risika ara-bola goavana ny trosan’ny Jirama sy ny Air Madagascar, miantraika amin’ilay antsoina hoe FSMFP (Plan stratégique de modernisation de la gestion des finances publiques) na ny drafitra stratejika momba ny fanavaozana ny fitantanana ny volam-panjakana, izay natolotra ny tapaky ny volana oktobra. Io antontan-kevitra io izay maneho fa ny drafi-pitantanana ho an’ny orinasa Air Madagascar sy ny drafi-pampiroboroboana ny Jirama hatramin’ny 2025, dia misy fanaraha-maso tafiditra ao anatin’ny programam-pamatsiam-bolan’ny FEC (Facilité élargie de credit) izay vatsian’ny Famatsiam-bola iraisam-pirenena n any FMI. Io rafitra ara-bola iraisam-pirenena io, izay efa hatry ny ela no nanao karazana tsindry hialana amin’ny tohana sy fandrotsahana vola tsy toko tsy forohana ho an’ny orinasam-panjakana tahaka ny Jirama, ny Air Madagascar, ny vidin-tsolika,… Ho an’ny Jirama, efa lany ny 500 miliara Ar ho an’ny tohana na “subvention” tamin’ity taona ity. Voalaza fa mila fikitihina mihitsy ny rafitry ny Jirama. Goavana ny trosa kanefa mbola zava-doza ny olana ara-pitantana sy ny halatra, tahaka ny fanodinkodinana solika an’aliny litatra, fandaniana hafahafa sy tsy araka ny tokony ho izy amina miliara, fizaram-bola amina miliara voalaza fa nataon’ny mpitantana kanefa ny orinasa mitsipozipozy. Ny Orinasa Air Madagascar moa dia maty tanteraka, ny vola kely voalaza fa hanamboarana ny fiaramanidina roa aza toa nanjavona ny 5 tapitrisa dolara, voalaza fa bokan-trosa hatrany amin’ny 80 tapitrisa dolara, ka eo ambany fiahian’ny tribonaly ny raharaha ara-trosa, novonoina ary nasiana ny Madagascar Airlines izay mbola resabe teo aloha teo ny maha ara-dalàna na tsia azy, ary hatramin’ny Minisitry ny fitaterana aza nilaza fa tsy mety io ka hofoanany, saingy tsy nahovoka. Endrika isehoan’ny fahapotehan’ny orinasam-panjakana ny Air Madagascar, Jirama,… ka isan’ny lesoka ny tsy fahaiza-mitantana sy ny fanaovana tantely afa-drakotra.
Toky R
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Manoro Régis - UNDD «Matahotra mafy dia mafy korontana izahay»
02-juin-2023

Manaraka ny zava-misy ny antoko politika UNDD, hoy ny filohany, Dr Manoro Régis. Hitanay ny mahazo ny vahoaka, hoy izy.

Card image cap
5 volana mialohan’ny fifidianana Miha mangotraka ny tontolo politika
02-juin-2023

Mihazakazaka ny toe-draharaha politika, ary hita ho miha mangotraka amin’izao 5 volana mialohan’ny fifidianana izao. Mandeha ny adihevitra samihafa toy ny firesahana sy adihevitra ambony latabatra hametrahhana ny fitsipi-pitondran-tena,

Card image cap
Etazonia Manohana ara-toekarena, miandrandra fifidianana madio
02-juin-2023

Nankalazaina omaly 01 jona 2023 ny fankalazana ny faha-247 taonana nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia

Card image cap
Antoko politika Matsilo «Na ny fitondrana aza mahita fa tsy amin’ny izy ny fitantanany»
02-juin-2023

Madagasikara an’ny malagasy no fantatray, hoy ny antoko politika Matsilo. Na ny fitondrana ankehitriny aza, hoy ny filohan’izy ireo, Joseph Yoland,

Card image cap
Jerry Rakotoarijaona «Samy hafa ny fihetsiketseham-bahoaka sy tolom-bahoaka»
02-juin-2023

Sarotra raha amin’izao ny hahatarika olona hidina an-dalambe, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Jerry Rakotoarijaona.

Card image cap
Antoko politika Natiora «Lojika raha tsy misy fitoniana politika eto»
02-juin-2023

Lalaovin’ireo mpamatsy vola mahazatra isika, hoy ny antoko politika Natiora. Averiko ihany, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho,

Voir plus