hoy izy, no mahatonga ny hoe izao vao ho atao laharam-pahamehana izany. Nalefa tamina zavatra hafa ny vola rehetra dia izao fanina amin’izay. Tena lera tokoa izao fa tsy leralera fahatany anefa fa lera hijerena ny tombontsoam-bahoaka. Leralera fahatany ny ohatra hoe hanao tetezamita na fitadiavan-tseza. Ny ahy dia hoe ahoana no hitsinjovana ny vahoaka madinika sy ny tombontsoam-pirenena? Izay no nandaniako fotoana sy vola tamin’ny tetezamita teo niantsoako ny manam-pahaizana rehetra. Na fifidianana na iza na iza ho avy eo rehefa tsy ovaina ny rafitra dia tsy ho tafavoaka mihitsy ity firenena ity. Ovaina ny lalana rehetra sy ny lalampanorenana. Tsy azo atao intsony, ohatra, ny hoe olona manana zom-pirenena hafa ankoatran’ny malagasy no atao filoham-pirenena. Tsy mitsinjo ny tombontsoam-pirenena izany fa ny tombontsoany manokana satria manana zom-pirenena hafa. Fifidianana lalàna aloha no tokony atao, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby