airtel

Politique

08-juin-2022

Politique

Julien Andriamorasata “Afaka adidy ny mpanohitra!”

Sample post image

Fotoanan’ny fikaonan-doham-pirenena izao ary tsy amin’ny maha birao politikan’ny antoko politika Tiako I Madagasikara no hiresahako eto fa amin’ny maha olom-pirenena mihitsy hoe tokony atao ilay izy,

08-juin-2022

hoy ny manam-pahaizana manokana momba ny fitantanan-draharaham-panjakana, Julien Andriamorasata. Ny filoha Ravalomanana no isany niteny voalohany hoe tokony atao io, hoy izy. Tsy tokony hifanilika. Ny fotoana toy izao no tena ilana an’io satria efa misy izao ny krizy politika, ekonomika, sosialy. Rahoviana indray ary io no atao rehefa tsy izao? Miangavy ny FFKM ny ato amin’ny mpanohitra. Tsy hita izay vokany. Miangavy ny fitondram-panjakana. Tsy hita izay vokany. Mampirisika ny mpanohitra aho. Ataovy! Anjaran’ny mpanohitra no manao fikaonan-doham-pirenena. Efa latsaka an-katerena ny firenena fa alefaso ilay izy dia avoahy ny fehin-kevitra. Tsy misy atahorana izany. Miresaka tsara amin’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena. Tambatambazana foana ve vao hanao fikaonan-doham-pirenena? Anaty krizy isika izao. Zava-doza no hahazo ity firenena ity raha mbola tsy hisy vahaolana atsy ho atsy. Lazaina fa noho ny ady ao Ukraine sy ny Covid no mahatonga ilay fidanganan’ny vidim-piainana. Talohan’izany no efa nidangana ny vidim-piainana teto Madagasikara. Hatramin’izao ny harinkarena mbola miiba. Tokony handraisan’ny rehetra anjara ny fikaonan-doham-pirenena nefa hiandry firy taona vao ho tonga amin’izay? Afaka adidy ny mpanohitra! Miandry fikaonan-doham-pirenena ny vahoaka Malagasy. Tokony ho tompon’andraikitra daholo na fanjakana na mpanohitra na FFKM. Izay tonga no aoka haka fanapahan-kevitra. Na iza mandray anjara sy tsy mandray anjara dia efa hisy fehin-kevitra io aloha, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap