airtel

Politique

22-juil-2022

Politique

Julien Andriamorasata “Ny mpanohitra izao no tena ianteheran’ny vahoaka”

Sample post image

Ny politikam-pitantanam-bola niarahana tamin’ny banky foibe mihitsy no hitako hoe tsy dia tena nisy, hoy ny manam-pahaizana momba ny fitantanan-draharaham-panjakana, Julien Andriamorasata.

22-juil-2022

Mila tandremana tsara io fitotongan’ny vola malagasy io, hoy izy. Mila paikady hentitra iadiana amin’io. Raha manana fahafahana manondrana vokatra be dia be ny firenena iray dia mba mety hisy fiakarany kely ny sandam-bola satria iny mantsy no manatsara ny fanondranana entana na eo amin’ny lafiny hamaroana izany na ny lafiny kalitao. Tsy tena manana fahafaha-manondrana entana anefa isika satria tsy ampy ny vokatra. Ny kalitao eo ihany. Ny hamaroana na “quantité” tadiavin’ny any ivelany. Marefo isika nefa manafatra entana be dia be dia izay no mahatonga ilay fitotonganana. Io fitotonganana io no fototry ny zavatra rehetra satria fototry ny fahavoazana rehetra eto. Nisy fotoana efa mba nidina ny vidin-tsolika teo amin’ny tsena iraisampirenena fa isika tsy nampidina. Io fa tonga indray ny olana amin’ny ady any Okrainina dia misy olana indray ilay famatsiana solika. Miakatra indray ny vidiny noho ilay fitotonganam-bola. Anaty Krizy politika sy ekonomika isika izao. Tsy maintsy ny fifampiresahana no atao tsara indrindra. Ny fanjakana no tokony hiantso ny rehetra na mpanohitra io na sehatra tsy miankina na mpitatitra na iza. Raha resaka mpitatitra izany mila jerena amin’ny antsipiriany mihitsy ahoana moa izany fandaniana amin’ny fitaterana izany? Miakatra ny vidin’ny piesy. Tsy azonao atao tery vay manta hoe tsy maintsy izao io fa tsy maintsy ifampidinihana tsara ifotony. Miakatra koa ny vidin-tsolika. Anaty firenena demokratika dia tokony fanao mihitsy ny dinika politika, ohatra hoe isaky ny 6 volana. Somary tara ihany isika fa anjaran’ny fanjakana no mijery ny fotoana tokony hanaovana ilay fikaonandoham-pirenena. Tsy azon’ny fitondrana atao intsony ny miasa irery anatin’izao zava-misy izao fa tsy maintsy manao an’io izy. Efa niantso ny FFKM. Tomponandraikitra ny fitondram-panjakana raha miziriziry. Sakana iray ny tsy fihainoanao ny mpanohitra satria ny mpanohitra izao no tena ianteheran’ny vahoaka ka izay no hisian’ny fitoniana politika, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap