airtel

Politique

09-janv-2024

Kajy ara-pifidianana eto Antananarivo

Hongotana izay sefom-pokontany tsy volomboasary…

Sample post image

Raikitra indray ny kajikajy politika ara-pifidianana miainga eny amin’ny fokontany.

09-janv-2024

izay Manakaiky ny fifidianana depiote sy ben’ny tanàna izay manakaiky vahoaka kokoa, ka toa efa mandeha indray ny tetika maloto samihafa, indrindra fa eto Antananarivo, izay sarotsarotra ho an’ny mpitondra ankehitriny. Ny fifidianana depiote no mety handeha aloha na dia ny ben’ny tanàna aza no tapitra mialoha ny fe-potoam-piasana. Tanjona ny haka ny maro an’isa etsy Tsimbazaza mba hananan’ny mpanatanteraka ny fahamarinan-toerana. Isan’ny kasaina mafy ny hahazoana an’Antananarivo, ka mandeha ny tetika rehetra hanovana ireo sefom-pokontany. Voafaritra fa ny lehiben’ny fokontany sy ny lefiny dia tendrena amin’ny alalan’ny «arrêté » ataon’ny Lehiben’ny distrika taorian’ny fifidianana misaraka nataon’ny fokonolona 18 taona miakatra. Ho an’ny kaominina Antananarivo anefa, ny Prefen’ny polisy no manendry avy hatrany izany amin’ny alalan’ny « arrêté », izany hoe : izay tiana hapetraka eo ? Raikitra ny fikasana hanongana sefom-pokontany etsy sy eroa, izay lotoina ho amin’ny zavatra tsy tokony hidirany aza ny sasany, tahaka ny miseho eny Madera Namontana, izay lazaina fa TIM. Nambara fa nanakepoka ny fanampiana nomen’ny Fanjakana toy ny jiro, vary,… Tena ny sefom-pokontany ve no miandraikitra an’ireny ? Nisy ny hafatra nataon’ny Depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly niantera tamin’ny Prefen’Antananarivo sy ny Lehiben’ny distrikan’ny Firaisana faha-4. «Miangavy anareo mba handray andraikitra mahakasika ireto olom-boatendry vaovao manao be fihavy ireto ka hampianatra azy maika ny didy aman-dalàna fa tsy fantany. Izy ireo no manangona olona hiogaoga mitaky ny fanaisorana sy fifidianana sefom-pokontany sy mampiantso mpanao gazety na mpanao serasera eto amin’ny facebook milaza fa tsy mizara jiro tsy mizara vary, tsy mandraoka zoridira sy tsy misikotra « dalle » ary tsy manamboatra lalana ny sefo fokontany asa andraikiny va izany ? », hoy i Rossy. Nambarany fa tian’izy ireo soloina ny mpikambana ao aminy na ny fianakaviany ireo sefom-pokontany, ary iharan ny antsojay sy ny fafy lainga izay mety ho tonga amin ny fifampikasihan-tanana satria manana ny mpomba azy ireo koa izy ireo. Olona ao anaty fitondrana ireo manokatra « boite de pandore », izay raha miitatra manerana ny distrika na firenena dia ho sahirana ny fitondrana foibe, hoy hatrany i Rossy. Mandeha moa ny feo, fa kasaina hosoloina mpampianatra avokoa ny sefom-pokontany manerana ny Nosy ? Tsara kosa ny manamarika, fa teo anivon’ny kaominina Antananarivo dia efa nisy ihany koa ny rivodoza nanesorana tompon’andraikitra ka anisan’izany ny Lehiben’ny Boriborintany miisa 3 sy Tale miisa 8.
Toky R

 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap
16-mai-2024

𝖭𝗈𝖿𝖺𝗋𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 androany 𝟣𝟧 𝗆𝖾𝗒 𝗋𝖾𝗃𝗂𝗌𝗂-𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗂𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 𝗇𝖺𝗌𝗂𝗈𝗇𝖺𝗅𝗒 𝖺𝗁𝗂𝗍𝖺𝗇𝖺 𝗂𝗋𝖾𝗈 𝗅𝗂𝗌𝗂𝗍𝗋𝗒 𝗇𝗒 𝗆𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗂𝗌𝖺𝗄𝗒 𝗇𝗒 𝖽𝗂𝗌𝗍𝗋𝗂𝗄𝖺.

Card image cap
16-mai-2024

Izany tambin-karama izany dia misy any amin’ny orinasa tsy miankina sy orinasam-panjakana,

Card image cap
16-mai-2024

Nanomboka ny alarobia 08 may ary mifarana ny alatsinainy 27 mai 2024 amin'ny sasakalina ny fampielezan-kevitra.

Card image cap
16-mai-2024

Raikitra ny tosika propagandy ankolaka ataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’ny alalan’ny fitetezam-paritra sy fanolorana zavatra.

Card image cap
16-mai-2024

Mitaky tany tan-dalàna sy ny demokrasia ary ny fanjakana tsara tantana ny fampandrosoa na firenena izany,

Card image cap