Mety homena sehatra bebe kokoa indray iray olo-malazan’ny 2009. Voalohany, manomboka mifoha indray ny mety ho fikitihana ny toeran’ny Filohan’ny Antenimierandoholona. Mandeha ny feo, fa mety hosoloina ny Jeneraly Ravalomanana Richard izay Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena teo aloha, ary mpanolontsaina manokana ara-tafiky ny filohan’ny Repoblika ankehitriny ny Filohan’ny Antenimierandoholona Atoa Herimanana Razafimahefa. Hiatrika fifidianana isika, ary raha ny voafaritry ny lalàmpanorenaa ao amin’ny andininy faha-46 dia tsy maintsy miala amin’ny toerany 60 andro mialohan’ny fifidianana ny filoham-pirenena am-perin’asa, ka ny Filohan’ny Antenimierandoholona no misolo toerana vonjimaika azy, mandra-pahavitan’ny fianianan’ny Filoham-pirenena izay voafidy indray. Stratejika be io toerana io, ary mila olona tena mahatoky ny fitondrana ny Rajoelina. Mafampana ny toe-draharaha ara-politika ary mety hangotraka ny raharaham-pifidianana ka lojika ny mety ho fametrahana begalona amin’io hisolo ny Filoha, na ekena aza fa efa misotro ronono ny Jeneraly Ravalomanana. Tsaroan’ny rehetra tsara anefa ny raharaha 2009 sy ny fiatrehana ny mpomba ny Fanjakana Ravalomanana tamin’ny tetezamita, fa henjana ary tsy nitsitsy ny mpanohitra ity jeneraly isan’ny tena akaiky ny filoha ity, ka azo eritreritina ny mety hisian’izay kajy politika izay. Tsy vao sambany no nisy tahaka an’io raha tonga amin’izany, fa efa sary niseho tamin’ny 2018, izay nanesoran’ny HVM an’Atoa Honoré Rakotomanana sy nampiakarana an’Atoa Rivo Rakotovao teo amin’izay toerana izay. Ny hoavy moa no hamaritra hoe: ho tonga amin’izay tokoa sa tsia? Marihina etsy andaniny fa loholona voafidy ny Atoa Herimanana Razafimahefa, ary sarotsarotra ny hanala azy amin’ny toerany. Raha ny re, mety halefa ho ambasadaoro ny tenany hoenti-maneho fa voatendry amin’ny andraikitra hafa, raha ho tonga amin’ny fanesorana tokoa. Mety haverina eto an-tanindrazana ny ambasadaorontsika atsy Maorisy Jeneraly Camille Vital izay tsikaritra sy hita matetika eto Madagasikara tato ho ato, ka hatao minisitry ny raharaham-bahiny izay mbola banga ankehitriny raha ny feo mandeha. Raha ho izay tokoa ny fizotrany, dia ny Filohan’ny Antenimierandoholona ankehitriny izany no mety hisolo ny toerany atsy Maorisy satria sarotra ihany koa ny hanilika sy hanary azy tsotr’izao. Ankoatra izay, mety hakarina ho sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena ihany koa ny Jeneraly Lylison de Réné izay isan’ny olona mahatokin’ny Filoha ihany koa tamin’ny raharaha 2009, ary anisan’ny angady nananany ny fitondrana tetezamita. Voalaza fa efa miomana handeha hisotro ronono atsy ho atsy mantsy ny Jeneraly Serge Gellé ka ny Jeneraly Lylison izay governoran’I Sofia ankehitriny no malaza hatreto fa tsara toerana hahazo io toerana io. Hiverina hiaka-dapa sy homena andraikitra bebe kokoa izany ireo olon’ny 2009, raha ho tanteraka tokoa ny mety ho fikitihana sy fanohana. Ny ho avy anefa no hamaritra azy satria miovaova be ihany ny politika ka ny kajikajy anio mety hiova indray rahampitso.
Toky R
Toa hisy conseil spécial androany! presenti ho président Sénat i Gal Bomba; MAE vital. Mbola tsy confirmé aloha fa bruit de couloirs
miaka-dapa ny ekipa 2009
Manaraka ny zava-misy ny antoko politika UNDD, hoy ny filohany, Dr Manoro Régis. Hitanay ny mahazo ny vahoaka, hoy izy.
Mihazakazaka ny toe-draharaha politika, ary hita ho miha mangotraka amin’izao 5 volana mialohan’ny fifidianana izao. Mandeha ny adihevitra samihafa toy ny firesahana sy adihevitra ambony latabatra hametrahhana ny fitsipi-pitondran-tena,
Nankalazaina omaly 01 jona 2023 ny fankalazana ny faha-247 taonana nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia
Madagasikara an’ny malagasy no fantatray, hoy ny antoko politika Matsilo. Na ny fitondrana ankehitriny aza, hoy ny filohan’izy ireo, Joseph Yoland,
Sarotra raha amin’izao ny hahatarika olona hidina an-dalambe, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Jerry Rakotoarijaona.
Lalaovin’ireo mpamatsy vola mahazatra isika, hoy ny antoko politika Natiora. Averiko ihany, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho,