airtel

Politique

05-sept-2023

Kandida Filoham-pirenena maro

Manamafy fa tsy ara-dalàna ny ho firotsahan-dRajoelina

Sample post image

Nanamafy ny soniany momba ny tsy tokony hahafahan’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina kosa ireo kandida sasany.

05-sept-2023

Tsotra ny hevitray, nangataka zom-pirenena vahiny ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina, dia nahazo izany, ka tsotra hoe: very ny zom-pirenena maha Malagasy azy, very ny fiandrianam-pirenena, ka tsy ekenay ny hitondran’ny vahiny an’I Madagasikara. Ahoana ireo ran’ny Malagasy latsaka tamin’ny 1947, matimaty fotsiny ve ireny olona ireny? Tsy ekena ny hitondran’ny vahiny ny firenena fa very ny fiandrianam-pirenena”, hoy ny kandida Andry Raobelina. Nanamafy an’io ny kandida Paraina Auguste ka naneho, fa tsy iadian-kevitra intsony ny andininy faha-42 amin’ny lalàna momba ny zom-pirenena izay mahaleo tena, ka antony nanasoniavana ilay taratasy niraisan’ny kandida miisa valo. “Io olona io dia efa vazaha, nangataka ny ho vazaha izy, very ny zom-pireneny Malagasy satria efa feno taona izy no nangataka, ka tsy tokony handatsaka dosie akory, ka ho hita eo ny fitsarana ireo izay hanome ny taratasy manamarina ny zom-pirenena”, hoy ny kandida Paraina Auguste. Naneho kosa ny depiote sady kandida Rtoa Masy Goulamaly fa manamafy ny sonia efa nataony mahakasika ny maha tsy ara-dalàna ny firotsahan’ny Filoha ankehitriny noho ny antony iaraha-mahalala. Nangataka ny hamoahana mangarahara momba ny dosien’ireo kandida moa ny kandida Hajo Andrianainarivelo, na tsy tazana teny Mandrimena aza. Mbola tsy tara ho an’I Andry Rajoelina ny mijery fitaratra sy mandinin-tena hoe: mety ve izao zavatra hataoko izao? Tsy ny vahoaka Malagasy no andrasana haka fepetra, raha tena mahatsapa fa tompon’andraikitra eto amin’ity tany ity, hoy I Hajo Andrianainarivelo. Ny kandida Tahina Razafinjoelina kosa naneho nandritra ny fanaterany ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiany omaly teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, fa ny mpitsara no tompon’ny teny farany. Naneho anefa izy fa manana “équipe juridique” na ekipa momba lalàna, dia izay no mahatonga ahy miteny hoe: raha ny lalàna dia tsy tokony ho afaka milatsaka ny Filoha ankehitriny, fa ny mpitsara anefa no tompon’ny teny, hoy izy. Manao antso ny hivoahan’ny marina kosa anefa, raha ny nambarany.
Toky R

 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap