airtel

Politique

06-sept-2023

Kandida ho filoham-pirenena

Ny 11 septambra izao ny hatsapaka no atao

Mitaky fahatomombanana amin’ny fikarakarana ny fifidianana filoham-pirenena eto Madagasikara ho atao ny 9

06-sept-2023

novambra 2023 amin’izao fotoana izao ny fianakaviambe iraisampirenena, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny vaomiera misahana ny fifidianana eto na CENI omaly. Nomarihina indrindra, hoy ny voalaza, ny mikasika ny fahatomombanan’ny lisitry ny mpifidy. Nisy, noho izany, ny fihaonana teo amin’ny delegasionin’ny sampan-draharahan’ireo firenena miteny frantsay na OIF sy ny filohan’ny CENI, Arsène Dama, tetsy amin’ny biraon’ity farany etsy Alarobia. Teo ny resaka mikasika ny verindroa na “doublons” sy ny fahafaha-mitsirika ny lisitra. 11.000 no isan’ny verindroa ka ny 7000 efa voavaha. Miezaka ny CENI, hoy ny filohany, manao izay azo atao hanadiovana ny lisitry ny mpifidy. Dingana ho any amin’ny fikarakarana araka ny tokony ho izy fifidianana azo antoka, handraisan’ny rehetra anjara, anaty fitoniana no tanjona ary efa azo atao amin’izao fotoana izao ny mijery izay manitikitika rehetra ao amin’ny tranokalan’ny CENI. Ny alatsinainy 11 septambra izao moa no hatao ny hatsapaka fisarihana izay ho filaharan’ireo kandida anaty bileta tokana raha toa ka ny ampitson’io no hampahafantarana amin’ny fomba ofisialy izany filaharana izany, raha tsy misy ny fiovana, hoy ny fampitam-baovao sy fampahatsiahivana voaray hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap