Atoa Hajo Andrianainarivelo omaly 31 jolay 2023, taorian’ny Filankevi-pirenen’io Antoko io. “Manana adidy isika, hamerina an’i Madagasikara amin’ny lalana tokony halehany. Tao anatin’ny herintaona sy tapany dia nitety ireo faritra 23 manerana an’i Madagasikara aho, nihaino sy niresaka taminareo, nandray ny vetsovetsom-ponareo, ary indrindra, nizara taminareo ny fomba fijeriko sy ireo foto-kevitra ijoroan’ny antoko misy ahy. Tsy nisorona ianareo niteny tamiko ny fahitanareo an’izay dimy taona lasa izay,… Fantatro ny ao am-ponareo satria Malagasy toa anareo koa aho, maharary ahy koa ny fireneko ary mahatsiaro ho tompon’andraikitra aho matoa mbola sahy mijoro”, hoy I Hajo Andrianainarivelo. Nilaza fa maintsy manova famindra, miala amin’ireo fomba efa nilaozan’ny toetrandro ary mametraka fomba fiasa vaovao. Tsy maintsy miady amin’ny tsindry sy ny didy kofehy lehibe izay nanjaka ary mbola manjaka ka nandrendrika ny firenena, tsy maintsy miala nenina, tsy maintsy sahy, ary ho sahy tena sahy hiady ho an’ny ampitso tsara kokoa. Nanambara I Hajo Andrianainarivelo fa tsy karazan’olona miahiahy, fa rehefa fanapahan-kevitra dia fanapahan-kevitra, rehefa sahy dia tena sahy ary rehefa hilatsaka hofidiana dia hiady tena hiady ary tsy maintsy ho lany. Nampahatsiahy, fa mila hajaina ny fenitra demokratika, ka efa nanatsikafona ireo tsy tomombana rehetra, ary mbola hanao izany foana fa tsy hitsahatra, ary tsy hanaiky sy tsy hamela ny heveriny fa teti-dratsy rehetra hanodinkodinana ny safidin’ny Malagasy, ny tsy fanajana ny lalàna velona ary ny hanaovana tsinontsinona ny fiandrianam-pirenena, tsy hamelantsika io na inon-kidona na inon-kitranga. Nanambara fa efa ben’ny tanàna 10 taona, efa nitana andraikitra maro, olona ampy traikefa,... Toa noraisiny ho tombony ho azy ny fifanandrinana politika eo amin’ny mpanao politika roa, ka miantso ny olom-pirenena rehetra leo ny adilahy politika sy te hitsinjo ny ampitso aho hifanome tanana amiko, hoy izy.Fitsinjaram-pahefana, fanatsarana ny fari-piainana, tany tan-dalàna,… no isan’ny nambarany fa haveriny. Tsiahivina fa laharana fahatelo I Hajo Andrianainarivelo tamin’ny fifidianana 2013, manana olom-boafidy depiote sy ben’ny tanàna,… Minisitra tamin’ny tetezamita, minisitra tao anatin’ity fitondrana ity, ary nisintaka tany amin’ny faramparan’ny taona 2022, ary ho lasa mpifaninana sy vonona hifampitana amin-dRajoelina raha ho kandida ity farany, ka hampihena ny herijikan’ny Filoha ankehitriny tahaka ny nahazo an-dRajaonarimampianina tamin’ny 2018,...
Toky R sy J. Mirija
nambaran’ny filoha frantsay Emmanuel Macron, omaly alakamisy 24 Aprily 2025,
Ny 37,5%n’ny vola miasa amin’ilay tetikasa Volobe moa izany no hoe hovatsian’ny fitondràna frantsay
Henjana sy nahitsy ny Filoha Kaomorianina tao anatin’ny lahateniny tao anatin’ny Fivoriamben’ny COI sady
Manoloana ny fitsidihana arapanjakana hataon 'ny filoha frantsay Emmanuel Macron
Mahafinaritra ny mahita ny tanàna madio sy milamina, hoy ny Kristianina
Tanterahana eto Madagasikara anio 24 aprily 2024 ny Fivoriamben’ny COI na Vaomieran’ny