ny vondrona iraisampirenena, ny sendika, ny raiamandreny ara- drazana sy ny fikambanana samihafa dia miombon-kevitra amin'izy ireo izahay 11 mirahalahy fa ilaina ny fifanatonana an- databatra boribory mba hisian' ny fifidianana mangarahara sy eken'ny rehetra, hoy ny fanambaran’ireo kandida ho filoham-pirenena miisa 11 ao anatin’ny Firaisankinan’ny kandida na “Collectif des candidats” nanoloana ireo vahoaka marobe nanotrona azy ireo tetsy amin’ny Coliseum Antsonjombe ny sabotsy teo. Etsy ankilany, hoy izy ireo, misy ny kandida namanay voatery nalefa any ivelany noho ny ratra nahazo azy. Ho fampiharana ny andininy faha 47 amin’ny lalàmpanorenana dia tsy ekenay ny hanatanterahana ny fifidianana amin'ny 16 novambra 2023 izao. Miantso ny vahoaka rehetra na sivily na miaramila na olom-boatendry na olom-boafidy mba hanatevina ity tolona ity ho tombontsoa iombonana sy ho an'ny vahoaka malagasy, hoy hatrany ny fanambaran’ireto kandida ireto.
J. Mirija
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby