nitondrana am-bavaka ny fampielezan-kevitra no nentin’ny Kandida Ben’ny tanana Jimmy Randriantsoa nisantarana izany omaly Talata 19 Novambra folakandro tao amin’ny Ekar katolika Alasora. Ho an’ity Kandida laharana fahadimy mpifaninana ao Alasora ity mantsy dia tena zava-dehibe ny fanankinana ny zavatra rehetra hoatao eo am-pelatanan’Andriamanitra mba hisian’ny fahombiazana. Tompon’andraikitra marobe no tonga nanotrona azy tamin’izany nahitana ny Solombavambahoakan’Avaradrano lany tamin’ny anaran’ny Vovonana Firaisankina Avotraina Andriamosa. Toraka izany koa ireo mponin’Alasora izay tena tonga marobe tokoa. Nisy ny fitondrana am-bavaka ity kandida ity sy ny firenena nandritra izany indrindra ny lalana tsy maintsy hodiavina mialohan’ny datin’ny 11 Desambra hanatanterahana ny fifidianana Ben’ny tanana manerana ny Nosy.
Pati
Legende : Ny Kandida Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy ao anatin’ny kaominina Alasora !
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby