Aminy mantsy dia tsy misy ohatra ny fanohizana ny asa vita ihany no hahafahana mampandroso ny Kaominina iray. Betsaka ny asa efa vita hoy izy ary hetahetan’ny vahoakan’Itaosy ny hanohizana izany, antony hirotsahako hofidiana ho Ben’ny tanana amin’ny datin’ny 11 Desambra ho avy izao. Afak’omaly Alahady 19 Novambra moa vao nisantatra ny fampielezan-kevitra Ben’ny tanana tanterahiny tao amin’ny tranom-pokonolona Anjakaivo Itaosy ity Kandida iray natolotry ny tsy miankina ao Itaosy Atsimondrano ity. Nitohy tamin’ny filaharambe namakivaky ny tanana izany izay nofaranana teo anoloan’ny Kaominina Itaosy. Ho azy ireo moa dia tsy ny fakana fiara sy artista hampifaliana vahoaka no tena zava-dehibe fa ny fahatsapan’ireto farany fa hafa ihany ny olona mahavita zavatra toa an’ny Ben’ny tanana William. Efa taona maro moa no niasany tao amin’ny kaominina Itaosy ka izy no lefitra voalohan’ny Ben’ny tanana farany teo. Pati
Legende : Faly tahaka izao ireo vahoaka nanaraka ny Kandida William Randrianomenjanahary !
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby