airtel

Politique

11-avril-2024

Kandida Zisy Fanavotana sy ny ekipany

«Vonona hiady ho an’Antanifotsy»

Sample post image

Isan’ny hilatsaka solombavambahoaka ao amin'ny distrikan’Antanifotsy ny kandida mahaleotena, Rakotondrazafy Justin,

11-avril-2024

fantatry ny maro amin'ny anarana oe Zisikely na Zisy Fanavotana, satria dia tafapetraka teny amin’ny OVEC Antanifotsy ny taratasy filatsahan-kofidiany ny alatsinainy 8 aprily 2024 teo, niaraka tamin'ny lisitra faharoany fantatry ny maro amin'ny anarana oe ramose Etienne, hoy ny fampitam-baovaon’ity kandida ity. Mirafitra kaominina miisa 14 i Antanifotsy, hoy ity kandida ity. Ben’ny tanàna miisa 11 amin’ireo kaominina ireo no nisafidy ny tenako ho arotsaka ato Antanifotsy. Latsaka an-katerena ny distrikan’Antanifotsy raha tsy hiresaka fotsiny afa-tsy ny lalana izay lalan-dràn’ny kaominina. Na dia tsy mpanao lalana aza ny solombavambahoaka dia mba afaka mitatitra ny mararin’ny vahoaka eo anivon’ny fahefana mpanatanteraka sy manao lalàna mifandraika amin’izay mangirifiry amin’ny vahoaka izay. Vonona hiady ho an’Antanifotsy izaho sy ny ekipako, hoy hatrany ity kandida nanamafy fa mahaleotena ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap
16-mai-2024

𝖭𝗈𝖿𝖺𝗋𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 androany 𝟣𝟧 𝗆𝖾𝗒 𝗋𝖾𝗃𝗂𝗌𝗂-𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗂𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 𝗇𝖺𝗌𝗂𝗈𝗇𝖺𝗅𝗒 𝖺𝗁𝗂𝗍𝖺𝗇𝖺 𝗂𝗋𝖾𝗈 𝗅𝗂𝗌𝗂𝗍𝗋𝗒 𝗇𝗒 𝗆𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗂𝗌𝖺𝗄𝗒 𝗇𝗒 𝖽𝗂𝗌𝗍𝗋𝗂𝗄𝖺.

Card image cap
16-mai-2024

Izany tambin-karama izany dia misy any amin’ny orinasa tsy miankina sy orinasam-panjakana,

Card image cap
16-mai-2024

Nanomboka ny alarobia 08 may ary mifarana ny alatsinainy 27 mai 2024 amin'ny sasakalina ny fampielezan-kevitra.

Card image cap
16-mai-2024

Raikitra ny tosika propagandy ankolaka ataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’ny alalan’ny fitetezam-paritra sy fanolorana zavatra.

Card image cap
16-mai-2024

Mitaky tany tan-dalàna sy ny demokrasia ary ny fanjakana tsara tantana ny fampandrosoa na firenena izany,

Card image cap