airtel

Politique

08-avril-2024

Kandidan’ny IRMAR

Taratra hatrany ny fanilihina ireo «mpiara-mitolona»

Sample post image

Araka ny vaovao azo teo anivon'ny antoko politika TGV na Tanora malagasy vonona

08-avril-2024

dia nivoaka ny faran’ny herinandro teo ny lisitry ny kandida ho solombavambahoaka amin'ny distrika miisa 6 eto Antananarivo renivohitra izay amin’ny anaran’ny vondrona IRMAR na Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina. Ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina, Augustin Andriamananoro, no mitarika ny lisitra ao amin’ny boriboritany voalohany ary Paolo Raholinarivo no iray lisitra aminy. Ny depiote Lanto Rakotomanga sy Zoky Vita no ao amin’ny faharoa. Gabrielle Raharison na Mme Gabie sy Rapatsalahy, izay avy amin’ny vondrona VPCM no faha 3. Fidy Désiré, avy amin’ny TMH sy Mme Bodo, izay filohan’ny departemanta TGV ao amin’ny boriboritany faha 4 no ao amin’ny faha 4. Haingo Ravatomanga sy Raholdina Naivo no faha 5. Mme Tantely, izay delegen’ny boriboritany faha 6 sy Mme Dîna, lehiben'ny Tsena Ambohimanarina, no ao amin’ny faha 6. Ny alatsinainy 8 aprily 2024 maraina izy ireo no hametraka ny filatsahan-kofidiana eny anivon'ny OVEC, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany. Ankoatran’ny fanontaniana hoe inona no antony naha voasarika minisitra maro nihoatra ny hatramin’izay hihazakazaka ho eny Tsimbazaza moa tamin’ity? Dia saika taratra hatrany ihany koa ny endrika fanilihana an-kolaka ireo heverina na nihevitra azy ho «mpiara-mitolona» akaiky tamin’ny filohan’ny tetezamita tamin’izany fotoana, izany hoe ny taona 2009, Andry Rajoelina. Isan’ny mampametra-panontaniana ao anatin’izany, ohatra, ny mikasika ny depiote Naivo Raholdina, izay raha jerena izany ity lisitra ity dia lasa lisitra faharoa izy ao anatin’ny distrikan’Antananarivo faha 5. Toy izany koa ny mikasika an’i depiote Paul Bert Ramasimanana na Rossy izay nisafidy ny hirotsaka amin’ny anaran’ny tenany manokana na mahaleontena rehefa avy nanao fanambarana fa tongany teny amin’ny teboka farany na «arrivé» ny filoha Andry Rajoelina. Mahakasika ireo boriboritany miisa 6 eto Antananarivo izay fa jerena akaiky hatrany ihany koa ny fizotran’ny any amin’ireo distrika hafa ivelan’ny renivohitry ny firenena. Tantara mbola mitohy!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap
16-mai-2024

𝖭𝗈𝖿𝖺𝗋𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 androany 𝟣𝟧 𝗆𝖾𝗒 𝗋𝖾𝗃𝗂𝗌𝗂-𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗂𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 𝗇𝖺𝗌𝗂𝗈𝗇𝖺𝗅𝗒 𝖺𝗁𝗂𝗍𝖺𝗇𝖺 𝗂𝗋𝖾𝗈 𝗅𝗂𝗌𝗂𝗍𝗋𝗒 𝗇𝗒 𝗆𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗂𝗌𝖺𝗄𝗒 𝗇𝗒 𝖽𝗂𝗌𝗍𝗋𝗂𝗄𝖺.

Card image cap
16-mai-2024

Izany tambin-karama izany dia misy any amin’ny orinasa tsy miankina sy orinasam-panjakana,

Card image cap
16-mai-2024

Nanomboka ny alarobia 08 may ary mifarana ny alatsinainy 27 mai 2024 amin'ny sasakalina ny fampielezan-kevitra.

Card image cap
16-mai-2024

Raikitra ny tosika propagandy ankolaka ataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’ny alalan’ny fitetezam-paritra sy fanolorana zavatra.

Card image cap
16-mai-2024

Mitaky tany tan-dalàna sy ny demokrasia ary ny fanjakana tsara tantana ny fampandrosoa na firenena izany,

Card image cap