airtel

Politique

26-avril-2023

Politique

Kaominina Alakamisy Fenoarivo feno 20 taona

Sample post image

Nampahomby ny fampandrosoana ny tetibola ifarimbonana”

26-avril-2023

Mankalaza ny faha-20 taonany ny kaominina Alakamisy Fenoarivo, izay vavahadin’ny faritra Analamanga raha miditra avy any Itasy. Ity kaominina ity izay ahitana mponina manodidina ny 28000 eo, mitsinjara amin’ny fokontany 5, ka amin’ny iray tapany atsimo ny 13000 ao ary amin’ireo 4 ambiny ny 15000. Ben’ny tanàna roa izay no nitantana. Tsy havela handalo fotsiny io fotoana io, fa hisy ny fanamarihana izany izany hatomboka amin’ny fotoam-bavaka lehibe ao amin’ny FJKM Vontovorona Fanantenana, araka ny resadresaka nifanaovana tamin’ny ben’ny tanàna Atoa Andrianaivo Rakotobe Christian. Ity ben’ny tanàna ity izay isan’ireo olom-boafidy naharitra indrindra tamin’ny fitantanana kaominina satria efa fotoam-piasana fahatelo farany ny azy izao, izay nanomboka ny taona 2007. Nambarany fa entina hanomezana aina vao sy hanetsehana ny ambaindahin’ny kaominina na ny eo an-toerana na ireo mpiara-miombon’antoka indray ny fanamarihana ny faha-20 taona. Nisaotra ireo mpiara-miombon’antoka rehetra nifanome tànana tao anatin’ny 20 taona ny ben’ny tanàna. Fanombohana ofisialy ny zoma izao amin’ny alalan’ny Fiombonam-bavaka ao amin’ny FJKM Vontovorona manomboka amin’ny 10ora sy sasany fa amin’ny 8ora sasany dia efa misokatra ny antsan-kira fiderana. Nanasana olona maro manodidina ny 500 io, ka hisy ny karazana fanomezana nomanin’ny kaominina.
MANAO AHOANA NY FIDIRAM-BOLA SY NY FAMPANDROSOANA? Raha ny nambaran’io ben’ny tanàna io, tena niainga tamin’ny tsy misy ny kaominina, fomba fiasa nahomby nentina nanatanterahana vina samihafa toy ny Biraon’ny kaominina, ny CEG, tsena,… ny tetibola ifandrombonana na “budget participative”, izany hoe: mifanome tànana ny rehetra hoenti-manana ara-bola amin’ny fampandrosoana. Isan’ny nampahomby ny fitantanana ny kaominina io satria manday anjara amin’ny fampandrosoana ny rehetra. Manome vahana amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana sy ny tsy miankina na 3P (Partenariat Public-Privé) ihany koa ny kaominina, ary isan’ny nisitraka tombodahiny maro noho fiarahana sy ny fiaraha-miombon’antoka tamina tetikasa iraisam-pirenena,... Raha nanontaniana ny mikasika ny resaka fampidiram-bola ahafahana manodina sy mampandroso ny kaominina kosa ny ben’ny tanàna dia nitsotra, fa misedra olana, ary raha karazany 23 ny hetra, dia betsaka no mbola tsy mihatra, fa fanentanana aloha no tena natao, toy ny tamin’ity taona ity. Afaka manao zavatra maro, raha tena mandoa hetra ara-dalàna ny mponina, hoy izy. Raha tena jerena farafahabetsany, ohatra, 50% ireo tsy mandoa hetran-tany.

MANAO AHOANA NY FIARAHA-MIASA AMIN’NY FANJAKANA FOIBE?
“Ny fomba fanoherana no atao amin’ny ara-dalàna. Izahay izao nahazo CSB manara-penitra dia inona no olana, io no loko tiany dia tsy hitako izay hoeritreretina amin’izay fa, ary rehefa tonga ny fifidianana dia ho hita eo hoe: hanohy izy sa tsia ary tsy anjarako fa anjaran’ny mpifidy ny manapa-kevitra”, hoy izy. Nahazo volan’ny CIAD (Crédit d’Investissement destiné à l’Appui au Développement), tsy misy olana ny fiaraha-miasa amin’ny Fanjakana foibe,… hoy ity olom-boafidy ity. Ny fanamboaran-dàlana makany amin’iny Vontovorona iny mirefy 6 km no mbola tsy vita ary henjakenjana satria mila volabe, ary niresaka tamin’ireo minisitra nifanesy. Irariana mba ho lasa ivon-toerana akademika ny eny amin’ny CNaPS Vontovorona, ary irariana ny fifandrombonana amin’ny fanamboarana ny làlana. Isan’ny fanamby sy fangatahana amin’izao faha-20 taona izao ny hahazoana Lisea, ary mino fa hahazo na efitra 2 aza mba hampidirana kilasy faharoa (2nde) ary hitarina tsikelikely eo. Ny mpiadina mantsy mitombo, ka izay tsy tafiditra amin’ny lisea kanefa tsy manam-bola hidirana amin’ny tsy miankina dia tavela eo. Amiko, ny fampianarana no fanoitra entina manatsara ny fari-piainan’ny isan-tokantrano any aoriana satria raha sahirana ny Raiamandreny amin’izao dia mba mety ho tafita sy manana asa ny zanaka any aoriana rehefa mianatra, hoy Atoa Andrianaivo Rakotobe Christian.

Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap