airtel

Politique

05-mars-2024

Kaominina Antananarivo

Tonga dia hitohy kandidan’ny IRK ny PDS Ramanambitana ?

Sample post image

Taorian’ny fanendrena ny Filohan’ny delegasionina manokan’ny

05-mars-2024

kaominina Antananarivo Atoa Ramanambitana Richard nandritra ny filankevitry ny minisitra ny alarobia lasa teo, dia nanatanteraka ny famindran-draharaha taminy ny Ben’ny Tanàna teo Aloha Naina Andriantsitohaina omaly tolakandro. Niarahana tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny teto anivon’ny Fiadidiana ny Tanàna izany, hoy ny tatitra fohy. Raha ny re dia mbola hisy lanonana mitovitovy amin’io anio maraina. Elaela vao nivoaka ny anaran’ny PDS satria nanomboka ny 14 janoary ny fahabangana, ary efa taty amin’ny faran’ny febroary vao voatendry. Nialohavana fanovana lalàna fa tsy voatery ho mpiasam-panjakana ny olona azo tendrena ho PDS, izay manamafy fa kajy politika no tanjona. Atoa Richard Ramanambitana ve izany no tonga dia ho kandidan’ny volomboasary amin’ny fifidianana ben’ny tanàna ? Hihakazakazaka ny famahana sy fanarontsaronana ireo olana maro mba hanatsaratsarana endrika ny kandida sy ny antokon’ny fitondrana ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap
16-mai-2024

𝖭𝗈𝖿𝖺𝗋𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 androany 𝟣𝟧 𝗆𝖾𝗒 𝗋𝖾𝗃𝗂𝗌𝗂-𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗂𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 𝗇𝖺𝗌𝗂𝗈𝗇𝖺𝗅𝗒 𝖺𝗁𝗂𝗍𝖺𝗇𝖺 𝗂𝗋𝖾𝗈 𝗅𝗂𝗌𝗂𝗍𝗋𝗒 𝗇𝗒 𝗆𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗂𝗌𝖺𝗄𝗒 𝗇𝗒 𝖽𝗂𝗌𝗍𝗋𝗂𝗄𝖺.

Card image cap
16-mai-2024

Izany tambin-karama izany dia misy any amin’ny orinasa tsy miankina sy orinasam-panjakana,

Card image cap
16-mai-2024

Nanomboka ny alarobia 08 may ary mifarana ny alatsinainy 27 mai 2024 amin'ny sasakalina ny fampielezan-kevitra.

Card image cap
16-mai-2024

Raikitra ny tosika propagandy ankolaka ataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’ny alalan’ny fitetezam-paritra sy fanolorana zavatra.

Card image cap
16-mai-2024

Mitaky tany tan-dalàna sy ny demokrasia ary ny fanjakana tsara tantana ny fampandrosoa na firenena izany,

Card image cap