airtel

Politique

07-déc-2021

Politique

Kaominina Faratsiho Mikatso ny asa, tsy misy fampandrosoana

Sample post image

Tsy mbola misy Ben’ny tanana voafidim-bahoaka mitantana ny kaominina Faratsiho hatreto. Ben’ny tanàna mpisolo toerana no miezaka mampandeha ny raharaha ao an-toerana,

07-déc-2021

 antony tsy hisian’ny asa fampandrosoana mandeha ao amin’ity kaominina ity mihitsy. Raha araka ny fanazavan’ity Ben’ny tanana mpisolo toerana ity mantsy dia betsaka ihany ireo mpamatsy vola sy mpiara-miombon’antoka tonga manatona sy te-hanohana ity kaominina ity saingy raha vantany vao fantatr’izy ireo kosa fa Ben’ny tanàna mpisolo toerana no mitantana ny tanana fa tsy voafidim-bahoaka dia mihemotra avokoa izy ireo. Tsiahivina moa fa fifandorana vokatry ny voka-pifidianana tamina Fokontany iray ka nampiakatra fitsarana ny raharaha no antony mbola tsy hisian’ny Ben’ny tanàna voafim-bahoaka ao Faratsiho hatramin’izao. Efa nanomboka tamin’ny taona 2019 no tsy nisy Ben’ny tanàna intsony tao an-toerana ka mandraka ankehitriny. Takian’ny mponina araka izany ny tokony hijeren’ny Fitondram-panjakana ny mikasika izany.
Pati

Legende : Mbola tsy manana Ben’ny tanana voafidim-bahoaka ny kaominina Faratsiho
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap