airtel

Politique

04-mars-2024

KAOMININA IVATO

Amboarina ny lalana, havaozina ny tranom-pokonolona

Sample post image

Mitohy ny asa fanamboarana ireo karazana foto-drafitrasa mifanaraka

04-mars-2024

amin’ny filan’ny mponina ao anatin’ny kaominina Ivato, distrikan’Ambohidratrimo. Taorian’ny nanavaozana tanteraka ny tranom-pokonolona ao Ilaivola izay efa mandeha tanteraka ny asa amin’izao fotoana izao dia fantatra fa hasiam-panamboarana ihany koa ireo lalan-dratsy eny ifotony izay hifamezivezen’ny mponina an-jatony isan’andro. Nambaran’ny Ben’ny tanana Penjy Randrianarisoa fa tsy hisy ho diso anjara ny mponina manana olana amin’izany saingy tsy vita indray mandeha kosa ny asa. Nambarany fa tsy maintsy hamboarina avokoa ireny karazana foto-drafitrasa ireny saingy tsy maintsy alamina dia asesy, araka ny fitenin’ny tanora efa mahazatra. Afaka tezitra izay tsy tia fandrosoana hoy hatrany ity Ben’ny tanana ity fa ny asa tsy maintsy mitohy. Efa nahazo ny anjarany tamin’ny fahavitan’ireo lalankely any an’elakelantrano moa ireo mponina ao Ankadindravola raha araka ny fantatra hatrany.
Pati
Legende : Ity ilay lalana hitalahoan’ny mponina ao Ivato asa fanamboarana amin’ny Ben’ny tanana Penjy Randrianarisoa !

 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap
16-mai-2024

𝖭𝗈𝖿𝖺𝗋𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 androany 𝟣𝟧 𝗆𝖾𝗒 𝗋𝖾𝗃𝗂𝗌𝗂-𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗂𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 𝗇𝖺𝗌𝗂𝗈𝗇𝖺𝗅𝗒 𝖺𝗁𝗂𝗍𝖺𝗇𝖺 𝗂𝗋𝖾𝗈 𝗅𝗂𝗌𝗂𝗍𝗋𝗒 𝗇𝗒 𝗆𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗂𝗌𝖺𝗄𝗒 𝗇𝗒 𝖽𝗂𝗌𝗍𝗋𝗂𝗄𝖺.

Card image cap
16-mai-2024

Izany tambin-karama izany dia misy any amin’ny orinasa tsy miankina sy orinasam-panjakana,

Card image cap
16-mai-2024

Nanomboka ny alarobia 08 may ary mifarana ny alatsinainy 27 mai 2024 amin'ny sasakalina ny fampielezan-kevitra.

Card image cap
16-mai-2024

Raikitra ny tosika propagandy ankolaka ataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’ny alalan’ny fitetezam-paritra sy fanolorana zavatra.

Card image cap
16-mai-2024

Mitaky tany tan-dalàna sy ny demokrasia ary ny fanjakana tsara tantana ny fampandrosoa na firenena izany,

Card image cap